Md. Josefa mpiasa - 1 mey

Masindahy Joseph Mpiasa na Mpandrafitra na koa ilay Mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta izany ity resahana eto ity. Izy no mpiaro ireo mpiasa manerana ny tany. Ny Papa Pie XII no nanokana ity andro ankalazaina an’ Masindahy Joseph mpiasa ity tamin’ny taona 1955. Fety telo no ankalazaina amin’ity voalohan’ny volana May ity satria fetin’ny fiangonana, fetin’ny fianakaviana ary fetin’ny asa sy ny mpiasa miampy ny toeram-piasana ihany koa. Masidahy Joseph ilay maodelin’ny mpiasa, amin'ny fanatanterahana ny asa nanirahan’Andriamanitra azy.

Lehilahy tsotra sy manetri-tena izy. Voafidin’Andriamanitra ho mpiahy sy nitaiza an’i Jesoa.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0613