Mb. Julie Billiart - 8 aprily

Ankalazaina ny 8 aprily. Virjiny sy Mpanorina ny fikambanan'ny "Maseran'ny Notre-Dame de Namur" (1751-1816). Nanana fitiavana manokana ny fampianarana i Julie, mbola kely izy dia efa nanao kilalao momba ny fampianarana. Nony feno 16 taona izy dia nampianatra mba hahazoana vola kely hanampiana ny fianakaviany. Ka ireo mpiasa mpamboly sy mpiompy no nomeny fampianarana. 

Tamin'ny faha 22 taonany vokatry ny fahatairana nanjo azy tamin'ny nanafihan'ny olona ny rainy dia nanomboka nalemy ny tongony ka tsy afaka nandeha intsony izy taty aoriana. Nijaly mafy tokoa izy kanefa dia natolony an'Andriamanitra hatrany izany fijaliany izany.

Nandritra ny fiokoana tany Frantsa dia anisan'ireo nanome fialofana hiafenan'ireo pretra nisy nanenjika izy, ary dia nenjehina ihany koa taty aoriana ka voatery niafina tamin'ny toerana maromaro.

Tamin'ny taona 1803, tao Amiens, izy no nanorina ny fikambanan'ny Masera "Notre-Dame de Namur". Herintaona taorian'izay dia sitrana tamim-pahagagana ny tongony ka afaka nitsangana indray izy ka afaka nitondra ny fikambanana nandritra ny taona maromaro.

Tamin'ny taona 1816 izy no maty tamin'ny faha 64 taonany.

Nasandratra ho olontsambatra izy ny 13 mey 1906 ary olomasina kosa ny taona 1969.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106