Md. Jean Baptiste de La Salle - 7 aprily

Mpanorina ny fikambanan'ny Frères des Ecoles Chrétiennes (✝ 1719). Teraka tao Reims tao Frantsa izy ny 30 aprily 1651 nandritra ny fiandrianan'ny mpanjaka Louis XIV. Izy no lahimatoa tamin'ireo ankizy 10 zanak'i Louis de La Salle sy de Moët de Brouillet.

Nandrandrain'ireo ray amandreniny ho pretra izy ka nampidirina tany amin'ny seminera dieny mbola 11 taona. Ary vao 16 taona monja izy dia efa anisan'ireo niandraiki-draharaha tao amin'ny Katedraly.

Nony maty ny ray amandreniny dia niandraikitra ireo zandriny izy. Avy eo nohamasinina pretra tamin'ny taona 1678. Roa taona taorian'izay izy dia nahazo ny "Doctorat" tamin'ny teolojia. Tamin'izany fotoana izany ihany koa no nitsiry tao anatiny ny faniriana lalina mba hanangana sekoly ho an'ireo fadiranovana izay marobe tokoa nanodidina azy. Niala teo amin'ny tontolon'ny harena sy ny fiadanana ivelany izy, noho izany, ka nandeha namorona ankohonana kely niaraka tamin'ireo mpampianatra vitsivitsy, teo anivon'ireo mahantra. 

Tany amboalohany dia tsy nankasitrahan'ny Mpitondra Fiangonana ity fananganana fikambanana vaovao indray hiandraikitra sekoly ity. Tsy nisakana an'i Jean Baptiste anefa izany fa vao mainka aza nandrisika azy sy nahatonga azy hanitatra hatrany ny asa fanasoavana ny mpianatra. Nanomboka ny fampiofanana ireo lahika mpampianatra ihany koa izy mba hampianatra amin'ireo sekoly natsangany. Izy no anisan'ireo namorona voalohany izany fampiofanana mpampianatra izany. 

Noho ny harerahana izay nanjo azy dia maty izy ny 7 aprily 1719. 

Natsangana ho olontsambatra ny 19 febroary 1888 izy ary nasandratr'i Papa Leon XIII ho olomasina ny 24 mey 1900.

 

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0581