Md. Pio faha-5 - 30 aprily

Papa faha-223 nitondra ny fiangonana ny taona 1566 hatramin’ny taona 1572 i Papa Pie V. Antonio Ghislieri no tena anarany. Teraka tamin’ny 17 Janoary 1504 tao amin’ny Tanana kely iray akaikin’i Alexandrie. Niandry omby no nataony tany ambanivohitra. Mbola kely izy dia efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra. Nisy olona tsara sitrapo nanampy ny ray aman-dReniny tamin’ny fampianarana azy ka nampianatra azy tao amin’ny Ordre de Saint Dominique.
Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nandray ny akanjon’ny mpitoka-monina. Ny 18 Mai 1521 i Michel no nanonona ny voady ho an’ Andriamanitra, avy eo nanohy ny fianarana tao tao amin’ny sekoly ambony tao Bologne. Nampianatra izy rehefa nahavita ny fianarany. Ny taona 1528 izy no nohamasinina ho pretra . Tia vavaka, namola-tena, niaro fatratra ny fitsipika sy ny fampianaran’ny Fiangonana I Michel ary nahatoky ny fitazonana voady nataony izy. Andraikitra sy adidy maro no niandraiketany talohan’ny naha-voatendrin’ny Papa ho Eveka sy naha Kardinaly azy ny 15 Marsa 1570. Eni-taona taorian’io izy no voafidy ho Papa. Isan’ireo papa nitondra fanavaozana lehibe teo amin’ny Fiangonana Katôlika izy. Nanohitra mafy ireo prôtestantisma mpampiely ny fampianaran-diso sy nandray anjara feno tamin’ny fampirisihana ireo printsy mba handray anjara tamin’ny ady masina natrehana tamin’ireo silamo. Nodimandry ny 1 May 1575 i Pape Pie V. Nasandratra olomasina ny 22 May 1712 ka ny Papa Paoly VI no namindra ny daty ankalazana azy ho 30 Aprily raha 05 May no nankalazana izany teo aloha.

Ny teny hoe Pie dia avy amin’ny dika teny Latinina hoe “Pius” midika hoe tia vavaka.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101