Md. Richard (Eveka) - 3 aprily

Evekan'i Chichester (1197-1253) - Teraka tany Angletera i Richard tamin'ny taona 1197. Tany amboalohany dia olona ambony sady nanan-karena ny ray aman-dreniny. Tratran'ny olana tampoka anefa izy ireo ka nitotongana ny fiainany ary lasa faran'izay nahantra. Nony maty ireo ray aman-dreniny ireo dia tsy nahefa trosa ny ankizy taty aoriana ka voatery nahiditra am-ponja mihitsy ny lahimatoa izay zokin'i Richard. I Richard kosa dia niezaka niasa mba hanavotana an'io zokiny io. 

Nony efa lehibe izy dia afaka nanohy fianarana tany Paris sy Oxford. Nahiratra tamin'ny fianarana lalàna nataony izy ka tsy ela akory dia noraisin'ny Eveka ho mpanolotsainy. Sarobidy taminy ny fahaleovan-tenan'ny Fiangonana sy ny tsy fiankinany amin'ny fanjakana. Taty aoriana dia nohamasinina ho Pretra tany Paris izy ka niverina ho mpanolotsain'ny eveka indray. Ary nohosorana ho eveka kosa avy eo ka nitantana ny diosezin'i Chichester. 

Anisan'ny nankahalain'ny mpanjaka Henri III fatratra izy tamin'ny tsy fanekeny bontolo ny hevitry ny mpanjaka mikasika ny Fiangonana.

 

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0624