Mb. Catherine de Sienne - 29 aprily

Teraka tao Sienne ny 25 Marsa 1347 i Catherine. Vao 5 taona monja izy dia efa nahazo fisehoan’i Kristy Mpanjaka. Io fotoana io ihany koa no nanaovany ny voadin’ny fahadiovana sy nanolorany ny tenany tanteraka ho an’Andriamanitra, fiainana izay tsy nankasitrahan’ny ireo Ray aman-dReniny loatra. Teo amin’ny faha-5 taonany no nisalorany ny fanamian’Ireo Masera Penitence de Saint Dominique. Nihamafy hatrany ny ny vavaka nataony ka niseho hatrany ny fahagagana taminy ary niely hatrany ny fahafantaran’ny olona azy. Nanomboka ny taona 1375 ny fiainana nisehoany vahoaka tamin’ny fiarovana ny tombotsoan’ny Papa, nitebiteby tamin’ny fisaraham-bazana teo amin’ny fiangonana ka nohezahany hatrany ny fampiombonana sy ny fahaleovantenan’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.Tsy nikely aina izy tamin’ny asa rehetra nosahaniny teo amin’ny fiangonana. Trotrak’ireo fibebahana sy ny famolahan-tena nandritran’ny fiainany i Catherine ka nandao ireo namany ho any amin’ny mandrakizay ny 29 Aprily 1380 teo amin’ny faha 33 taonany.
Ny hoe : Catherine dia avy amin’ny fiteny grika hoe “Catharos” midika hoe : madio tsy misy fangarony.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886