Md. Pierre Chanel - 28 aprily

Teraka tamin’ny 12 Jolay 1803 tao Cuet Pierre Chanel. Fianakaviana tantsaha no nisy azy. Nianatra tao amin’ny sekoly Saint Didier izy Tia nandalina asa Soratra Masina izy ka izany no nitsirian’ny fiantson’Andriamanitra ho misiônera. Niofana tao amin’ny Seminera zandriny tao amin’ny Maximiles 1819 ka hatramin’ny taona 1823.
Nahiratra tokoa izy teo amin’ny fandalinana ny fiteny latinina sy fiteny Frantsay. Nanohy ny fianarany tao amin’ny seminera zokiny avy eo. Ny 15 Jolay 1827 izy no nohamasinina ho Pretra . Lasa curé tao tao Croset. Niditra tao amin’ny fikambanana Société de Marie na ilay antsoina hoe Mariste izy ny taona 1831. Nampianatra sady nisahana andraikitra maro tao amin’ny fikambanana nandritra ny efa-taona. Notendren’ny Papa Gregoire faha-5 ho Misiônera tany Océanie i Pierre Chanel ny taona 1836. Tao anatin’ny roa taona niasany tany dia maro ireo fampianarana sy ny fanavaozana nentiny ohatra tamin’izany, ny nanafoanany ny fihinanana olona nataon’ireo mponina. Niely tokoa ny asa fitoriana ny Evanjely nataon’I Pierre Chanel sy ireo misiônera namany tamin’izany, ka tsy nahafaly ny mpanjaka tao Futuna izany. Novonoina ny 28 Aprily 1841 i Pierre Channel. Iray volana taty aorian’ny namonoana azy dia nibebaka ka lasa kristianina daholo ireo mponina tao Futuna, eny fa na hatramin'ireo namono azy koa aza.Ny Papa Pie12 no nanandratra azy ho olomasina ny 12 Jiona 1954.

Ny tarigetran’I Pierre Chanel dia ny hoe “Mitia an’I Maria sy mampitia ny olona an’I Masina Maria”

Loharano Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01