Md. Marka - 25 aprily

Ankalazaina ny 25 aprily. Evanjelista. (+75). Galileana i Marka ary mety anisan'ireo mpianatra 72 lahy nirahin'i Jesoa. Ny tena nahafantarana azy anefa dia noho izy namana akaikin'i Piera. 

Mpanara-dia an'i Piera izy ka niainga avy tamin'ny fitantaran'i Piera sy noho ny fangatahan'ny Kristianina tao Roma no tena anton'ny nanoratany ny Evanjeliny. Sakaiza akaiky an'i Paoly ihany koa izy nandritra ny nitoerany tao Roma.

Nandeha tany Alexandria izy nampita ny Vaovao mahafaly ka nampiroborobo ny fiangonana tany. Tany ihany koa no nahafaty martiry azy araka ny lovantsofina.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184