Mb. Odette - 20 aprily

Relijiozy mpitoka-monina I Odette. Avy amin’ny fianakaviana fanta-daza tao Belgique izy. Nampanambady azy tamin’andriandahy ny rainy ka tamin’ny fotoanan’ny mariaziny i Odette no nandà izany fifanekena izay. Teo ihany koa no nilazany ampahibemaso fa hanao relijiozy izy. Gaga ny tao am-piangonana tamin’izany. Tsy nanaiky io fanapaha-keviny io ny rainy. Niziriziry tamin’ny heviny anefa izy ka niditra tao amin’ny fikambanana mpitoka-monina nantsoina hoe "Bonne esperance" ary lasa lehiben’io fikambanana io taty aoriana. Tao ihany izy no nodimandry ny taona 1158.

Ny hoe Odette dia avy amin’ny fiteny germanique hoe “Oda” midika hoe : harena.


Loharano: Radio Don Bosco
Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113