Md. Benoit Joseph - 16 aprily

Teraka tao Amétte tanana kely tao Artois ny 26 Marsa 1748 i Bennoit Joseph Labre. Zanaka tantsaha izy ary teo amin’ny faha 12 taonany izy no noraisin’ny Curé tao Erin Mba hiofana ho pretra.Niaina ny vavaka sy ny famolahan-tena i Benoit ary nanaja fatratra ny Sakrameta masina. Naniry mafy ny ho mpitokamonina izy ary efa in'enina no tany amin’ny mônastera fa ny ho Mpivahiny masina no tena fiantsoana ho azy. Nankany Rôma izy ary tsy mba natory an-trano fa teny an-dalana ankalamanjana. Nandeha an-tongotra nandritra ny 25.000km namakivaky an’I France,Suisse,Allemagne ,Pologne ary Espagne rehefa avy tao Roma. Ny taona 1775, niverina tany Roma izy, niharitra nivavaka nandritra ny fotoana maro izy ary tsy mba mangataka fa mandray izay omena azy. Alarobia masina ny taona 1783, hitan’olona torana teo anoloan’ny Fiangonana Sainte Marie Notre Dame de Monts izy rehefa avy namonjy ny Sorona masina ka nodimandry teo ora vitsy taorian'izy. Maro ireo tao Roma no tonga nanotrona sy nanome voninahitra an’ilay modelin’ny fahamasinana ary heverina fa mpiaro an’ireo mpivahiny masina.
Ny hoe : Benoit Joseph dia anarana roa.Ny Benoit avy amin’ny teny Latinina hoe “Benedictus” midika hoe voatsodranon’Andriamanitra na hoe: ilay nosoavina. Ny Joseph avy amin’ny teny hebrio hoe yosép midika hoe manampy Andriamanitra.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104