Md. Paterne de Vannes - 15 aprily

Ankalazaina ny 15 aprily. Evakan'i Avranches († v. 565). Nantsoina koa hoe Paterne l'Ancien mba hanavahana azy amin'i Paterne avy any Coutances (Normandie). Tsy dia fantatra loatra ny momba azy afatsy tamin'ny boky iray hoe "Vita Paterni" izay nisy nanoratra mikasika ny tantaram-piainany. Nanangana monastera maro izy anisan'izany ny monastera malaza 'Lhan-Paderne-Vaur' tany Galles. Voalaza koa fa nampibebaka mihitsy ny mpanjakan'i Irlande. 

Nandritra ny fivahinianana masina tany Jerosalema izy no nosorana ho Eveka ka nony niverina tany amin'ny taniny dia natsangan'ny mpanjaka ho evekan'i Vannes. 

Anisan'ny asa nampalaza azy ny fampibebahana ny olona tao amin'ny nosy Albionika. 

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199