Md. Maxime - 14 aprily

Martiry tao Roma tamin’ny taonjato faha-3. Izy dia miaramila tao amin’ny tafika romana, nefa nandà tsy hanompo ireo andriamanitra paganina nentin-drazana, satria nifikitra mafy tamin’ny finoana kristianina. Nandritra ny fanenjehana an’ireo kristianina nataon’ny Emperora Decius, dia nosamborina i Maxime satria tsy nety nanao sorona tamin’ireo andriamanitra roma. Na dia noterena mafy aza izy, dia tsy nihemotra tamin’ny finoany. Noho izany dia nampijaliana sy novonoina ho faty izy tamin’ny taona  250 tany. Niara-nalevina tamin'i Tuburce sy Valérien izay samy novonoina niaraka taminy izy.

Ny fandeferany sy ny herim-pony manoloana ny fampijaliana dia nahatonga azy ho martiry hajaina ao amin’ny Fiangonana katolika nanomboka tany amin'ny taonjato faha-5 tany. Ankafalazana isan-taona amin’ny 14 aprily ny fetiny.

Sary fanehoana an'i Md Maxime sy Md Valérien ary Md Tiburce izay samy ankalazaina ny 14 avrily ny fetiny.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0096