Md. Fulbert - 10 aprily

Ankalazaina ny 10 aprily. (960-1029) Eveka tao Chartres (Frantsa). Anisan'ny Eveka nanana ny lanjany indrindra tao Chartres kanefa feno fanetren-tena. Hita taratra tamin'ny taratasy rehetra nosoratany izany fanetren-tenany izany. Niaro hatrany ny fiandrianan'ny Fiangonana izy nefa koa nahay nifandray tamin'ny mpitondra fanjakana.

Nony may ny katedralin'i Chartres tamin'ny taona 1020 dia niezaka mafy i Fulbert nanao izay hananganana basilika vaovao izay mbola mijoro hatramin'izao. 

Mampiavaka an'i Fulbert ihany koa ny talentany amin'ny mozika. Betsaka ireo hira noforoniny hiderana an'Andriamanitra.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0299