Md. Hugues - 1 aprily

Masindahy Hugues dia teraka tao Chateaux Neuve tao Bizér tamin’ny taona 1053. Pretra tao Valence teo amin’ny faha 20taonany, fa tamin’ny taona 1080 izy no notendrena ho Eveka tao Grenoble
Ny tena nimasoany dia ny fahafahan’ny fiangonana sy ny fanamasinam-piainan’ny Pretra. Kivy anefa izy fa nanjaka tao amin’izany Diôsezin’izany fanampara-pahefana sy ny fitondrana tena tsy mendrika nataon’ireto Pretra ireto. Niezaka namerina sy namelona ny finoana ary nanintsy an’ireo Pretra tamin’ny fitondrana tena tsy mety izany i Hugues fa tsy nisy vokany anefa izany.Any heriny dia nandeha nisitaka tany amin’ny trano fitokanamonina tao Chèredieu. Rehefa enonin’ny Papa izany dia nasain’ny Papa niverina tany amin’ny Diôseziny izy mba hanavotra ny fanahin’ireo ondriny. Taona vitsy taorian’izay no nananganan’i Masindahy Bruno fikambanana Relijiozy antsoina hoe Chartreuse tao amin’io Diôsezin’i Hugues, ary matetika izy no mande mamangy azy ireo miaraka amin’izy ireo satry tiany dia tiany ny mitoka monina fiainanana samirery izany. Zarany aza mitoetra irery fa rehefa tsinjon’i Bruno izany dia izy mihintsy no voatery miteny an’I Hugues hoe mandeana mba vonjeo ny ondrinao fa mila anao izy ireo. Dia lasa i Hugues niverina tany amin’ireo ondriny.
Na dia teo aza ny fahakiviana nananan’I Hugues teo anatrehan’ny zava nitranga teo amin’ny Diôsezy izay, dia nahavita nanavotra fanahy maro izy noho ny fahamasinany. Ny fampianarana nataony dia nanohina fon’olona maro indrindra fa ao amin’ny trano fikônfesena, matetika izy no miara mitomany amin’ireo olona mikônfesy ao. Fa izany fihetsiny izany sy ny fampianarana nataony dia nahatonga ireny olona ireny hiova fo sy hiova famindra eo amin’,’ny fiainany.

Ny hoe Hugues dia avy amin’ny fiteny “Germanique” hoe “Hug”, midika hoe maranintsaina

Loharano: Radio Don Bosco
Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093