Mb. Françoise Romaine - 9 martsa

Zanaka fianakaviana Rômana fanta-daza tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-14 i Françoise. Na naniry hanokan-tena amin'Andriamanitra hatry ny fahazazàny aza izy dia nankatoa ny safidin'ny ray amandreniny hanorin-tokantrano. Vady sy reny tonga lafatra tena faka tahaka i  Françoise ary mamy hoditra tamin'ny olon-drehetra. Nirotsaka ho relijiozy tao amin'ny fikambanan'ny Soeurs Oblates, izay izy ihany no nanorina azy, izy rahefa maty ny vadiny.
Ny tena mahagaga teo amin'ny fiainany dia hita maso "ny asan'ny anjely mpiambina" miaro azy amin'ny fakam-panahy sy ny asan'ny demony ary manampy azy hivavaka.

"Tsotra", "tsy misy na manisy fepetra" no dikan'ny teny hoe Francois(e).

Loharano. Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01