Md. Jean de Dieu - 8 martsa

Tena mahantra nefa kristianina ny ray aman-drenin'i Jean de Dieu ka vao 8 taona izy dia nandao ny akany ka lasa zaza mpirenireny, nandritra ny 33 taona.
Nilatsaka ho miaramila izy ary nony nandre fa maty ny reniny dia tapa-kevitra hitodika tanteraka any amin'Andriamanitra. Nivavaka sy nanolo-tena i Jean de Dieu hanompo ny mahantra. Nanangana hôpitaly izy handraisana mahantra, ka mitety tanàna mangataka no ataony raharaha mba hahazoany sakafo ho azy ireo. Noho ny hamaroan'ny mpanara-dia azy dia nanangana ny Fikambanan'ny Frères Hospitaliers izy hanohy ny asa.
Ny taona 1550 no nodimandry i Jean de Dieu ary anisan'ireo olomasina ankalazaina ho mpiaro ny marary.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098