Mb. Perpétue sy Félicité - 7 martsa

Masimbavy Perpétue sy Félicité, martiry afrikana voalohany.
Nangataka hatao batemy ry Perpétue, taranak'andriana mbola tanora sady mitaitaiza kely vao minono, sy ry Félicité  mpanompovavy bevohoka miandry andro, ary namany maromaro, tapa-kevitra hiroso handray ny Finoana Kristianina izy ireo na noraràn'ny Amperôra mafy aza.

Nampidirina am-ponja sy nampijaliana izy ireo nefa tsy nisy niova hevitra ka nandrasana ho teraka i Félicité vao hotanterahina ny famonoana ho faty.Tsy nety namiravira azy ireo koa anefa ny omby masiaka ka tanan'olombelona no nandatsaka ny ainy. Endrika mamirapiratry ny hafaliana sy fahatokisana no nasehon'ireo martiry ireo nandritra izany rehetra izany (07 marsa 203).

Ao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Vierzon ny sisan-taolan'i Perpétue sy Félicité ankehitriny ary hajaina ho mpiaro ny tanàna.
Ny maha-renim-pianakaviana sy ny herim-po nasehony ary ny hatanoràny no hanajan'ny olona azy ireo sady iriny hotahafina. Antsoin'ny olona ho mpiaro ny biby fiompy ihany koa i Perpétue sy Félicité.

Loharano. Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0702