Md. Casimir - 4 martsa

Zanaky ny mpanjakan'i Pologne i Casimir. Manavanana azo tokoa ny fitantanam-panjakana. Nokasain-drainy hampanambadiana ny zanakavavin'ny Empereur Germanique izy fa tsy nanaiky satria efa nanao voadin'ny fahadiovana. Niangaviana handray ny fanjakan'i Hongrie koa izy fa nandà izany, dia voasazy higadra telo volana.
Virjiny, tia vavaka, ary be fitiavana ny mahantra i Casimir.
Ny 4 mars 1484 izy no nodimandry, ary nambara ho mpiaro an'i Pologne.
"Fiangonan'ny fiadanana" no hevitry ny teny hoe "Casimir".

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099