Md. André - 19 martsa

Teraka ny 9 Aogositra 1845 i Masindahy André na i Alfred Bessette. Zaza faha 6 tamin’ny 10 naterakin’ny Ray aman-dReniny izy.

Ny taona 1870 no nidirany tao amin’ny Noviciat ny fikambanana sainte Croix ary naka ny anarana hoe : Frère André. Voatendry ho mpiandry ny varavarana tao amin’ny Kolejy Notre Dame de sacrée cœur izy rehefa nahavita ny fiofanana tao amin’ny noviciat ary teo amin’io toerana io no asany nandritran’ny 40 taona. Fanampin’izany ny vavaka fanompoana an’Andriamanitra. Mandalina sy mandinika ny fijalian’ny Mpamonjy izy ary tsy mitsahatra ny mitafa amin’i Masindahy Joseph amin’ny alalan’ny vavaka. Maro ny olona avy amin’ny firenena samihafa tonga tao aminy mangataka fahasitranana. Tsy maintsy atomboka amin’ny fitsaboana ny fanahy aloha izany, hoy izy. Maro ihany koa ireo malemy namela ny tehiny tao amin’ny trano fivavahan’i Frère André rehefa sitrana ara-batana.

Fa maro koa ireo sitrana aram-panahy. Ny 6 Janoary 1937, rehefa rerakin’ny asa aman-draharaha nataony tamin-kitsipo i Frère Andre dia nodimandry teo amin’ny faha 91 taonany. Nisy ireo namany nametraka fahatsiarovana azy manao hoe “nolaniany tamin’ny firesahana amin’Andriamanitra ireo olona hafa sy firesahana amin’olona hafa an’Andriamanitra ny fiainany.”

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098