Mb. Benedicte - 16 martsa

Mpitokamonina Clarisse sy Masimbavy Bénédicte. Mpanara dia an’i Masimbavy Claire avy any Assise izy. Nanomboka tamin’ny 1214 izy no niditra tao amin’ny trano fitokanamonina tao amin’ny Saint Damien(Assise). Nandimby an’i Masimbavy Claire tamin’ny fitantanana ny fikambanana izy, izany hoe: tamin’ny taona 1253. Nitantana amim-paha mendrehana ireo rahavaviny tao amin’ny fikambanana izy, ary najainy fatratra ireo lova napetrak’i Masindahy François sy Masimbavy Claire diany fiainam-panahy sy ny asa fiantrana. Nodimandry ny 16 Marsa 1260 tao Saint Damien ihany i Masimbavy Bénédicte.
Ny hoe Bénédicte dia avyamin’ny teny “latinina” hoe “benedictus” midika hoe voatsodranon’Andriamanitra

Loharano: Radio Don Bosco
Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099