Md. Mathilde - 14 martsa

Teraka tamin’ny taona 890 i Masimbavy Mathilde. Taranak’andriana tena fantadaza tao Allemagne ireo Ray aman-dReniny. Notezain’ny renibeny tany amin’ny trano fitokanamonina tao Herford i Mathilde. Zaza vavy kinga saina sy tsara taiza izy, manana bika sy endrika koa ary hainy ny mihaingo sy mitafy ny tenany mba hanehoany ny famendrehany. Babon’ny endrik’i Mathilde i Otton voalohany ka nampanambadiany an’I Henri zanany izy. Ny taona 909 no nanaovana ny mariazin’izy ireo ary niteraka telo lahy sy roa vavy. Nifanaraka sy nifanambina tsara izy mivady ireto, niara nivavaka sy niar- nikaon-doha tamin’ny fitantanana ny vahoaka. Rehefa maty i Henri dia nitoetra tao amin’ny lapa ihany i Mathilde. Niady fanjakana anefa ireo zanany roalahy ary nendrikendrehan’izy ireo i Mathilde fa mpandany ny harem-panjakana tamin’ny fitsimbinana ny mahantra ka nalan’ireo zanany tao amin’ny lapa izy. Nalahelo mafy izy noho ny toetran’ireto zanany. Nandefitra hatrany anefa izy ka nandeha nitoka-monina tany Westphalie. Taona vitsy taty aorian’izay anefa dia velom-panenenana ireto zanany ka nangata - pamelana taminy. Niverina tany an-dapa indray I Mathilde ary izy no nisolo toerana an’i Mpanjaka Otton rehefa niamboho io. Tsy nataony ambanin-javatra ny vahoaka sy ny asa fitsimbinana ny mahantra, ny trano fitsaboana ary ny fiangonana. Ny trano fitokana-monina Benedictines no faha efatra nahoriny tao Quedlimbourg. Toerana nahafatesana ary nandevenana azy. Antsoina I Masimbavy Mathilde hivavaka ho an’ireo Ray aman-dReny maro anaka sy ireo manana olana amin’ny fifandraisana ny zanaka.

Ny hoe Mathilde dia avy amin’ny teny “germanique” hoe “math” midika hoe : hery, voninahitra sy”hild” midika hoe : “ady”

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097