Mb. Justine - 12 martsa

Masimbavy Justine dia teratany Italianina izay teraka tao Arezzo Toscane ny taona 1260. Mbola tanora izy dia efa niaina tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fanazaram-panahy. Niditra tao amin’ny fikambanan’ny Benedictine izy. Nandritra ny androm-piainany dia nanaraka tsara ny fitsipi-piainan’I Masindahy Benoît izy, ary nandritran’ny taona maro dia nandeha nitokamonina nanirery. Niha lehibe izy ary niha narofy. Na dia tsy tiany ary ny handao ilay toerana dia voatery izy naverina tany amin’ny ilay trano fitokanamonina nisy azy tany ampiandohana. Tany izy no nodimandry ny 12 Marsa 1319. Maro ny fahagagana niseho tamin’ny vavaka nataon’i Masimbavy Justine nangatahan’ireo olona nanaja azy, ary nohamafisin’ny Fiketrahana Masina moa ny 24 Janoary 1891. Hajaina ao Florence ao amin’ny trano fitokana monina Benedictine ny relique n’i Masimbavy Justine hatramin’ny taona 1868. Izy moa dia antsoina hivavaka hoan’ireo olona tratran’ny lefankozatra ka maniry ny hitsangana.

Ny hoe Justine dia avy amin’ny teny latinina Justus midika hoe voahevitra tsara na koa hoe marina.

Loharano. Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756