Md. Versiglia sy Caravario - 25 febroary

Roambinifolo taona i Louis Versiglia no nihaona tamin’i Don Bosco tao amin’ny Oratorio ary nalefany nianatra tany Turin. Nirotsaka ho Salezianina i Louis ary nohamasinina ho Pretra tamin’ny 1895. Nikarakara ny Nôvisy tao Rôma izy nandritra ny 9 taona ary nitarika ny andiany Salezianina voalohany ho any Chine. Nanangana ny trano Salezianina voalohany tao « Macao Chine » i Louis, ary nanokatra ny misiôna tao Shiu Chow. Nohamasinina ho Eveka izy ny 9 janoary 1921.
I Calixte Caravario koa dia mpianatry ny Oratorio-n’i Valdocco ary nirotsaka ho Salezianin’i Don Bosco. Nandalo tao amin’ny Oratorio i Mgr Louis ny taona 1922 ka latsa-bava i Calixte hoe « hanaraka anao any Chine aho ! ». Notanterahiny izany 2 taona taty aoriana. Nohamasinina ho Pretra i Calixte ny 18 mey 1929.
Niaraka hatrany izy mianaka nikolokolo ny distrikan’i Lin Chow. Indray andro anefa notafihan’ny jiolahin-tsambo izy ireo. Niaro ireo zazavavy tafara-dia taminy, nokasain’ny jiolahy hanaovana herisetra izireo ka maty notifiriny ny 25 febroary 1930.

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095