Md. Modeste - 24 febroary

Mpitokamonina i Modeste ary evekan’i Trèves any Rhénanie. Noho ny halalinan-tsainy sy fahendreny ary hamasim-piainany dia izy no voatendry ho mpitantana am-panahy ny mpitokamonina tao amin’ny trano fitokana-monina nahorin’i Md. Théodose. Ho avy hanafika an’i Jerosalema ny Persa tamin’ny taona 614 ka i Modeste no voairaka hangata-bonjy any Antioche. Tsy tratra anefa fa voaroba sy rava ny tanàna masina ary lasan-ko babo sy natao sesintany ny Patriarka Zakaria sy ny Hazofijaliana Masina, niar aka tamin’ny kristianina marobe. Dia i Modeste no nisolo ny eveka nitarika ny fanarenana indray ny tanàna sy ny Fiangonana ary namerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny vahoaka sy ny kristianina.
« Mahay mandanjalanja » no dikan’ny teny hoe « Modeste »

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095