Md. Polycarpe - 23 febroary


I Masindahy Joany mpanoratra Evanjely no nanendry azy ho evekan’i Smyrne. Niezaka mandrakariva izy hampifandray ny Eglizy Tatsinanana sy Tandrefana. Nahery vaika ny fanenjehana ny mpino kristianina nefa vao maika namirapiratra amin’ny fijoroana vavolombelon’ny finoana sy fitiava-namana nasehony i Polycarpe, indrindra tamin’ny fiandaniany amin’ny voahilikiliky ny fiarahamonina. Hoy izy raha nosamborina hatolotra ny mpamono azy : « 86 taona no nanompoako an’i Kristy, ary nanao soa ahy hatrany Izy ka inona no tokony handavako ny Tompoko sy Mpanjakako ankehitriny ? Kristianina aho ka raha te-hahafantatra ny fiekem-pinoako dia mifidiana andro irey ihaonana amiko sy hihainoana ahy ». Nodoram-belona no namonoana azy.
Ny dikan'ny hoe Polycarpe dia avy tamin'ny teny Grika hoe vokatra be,ary ny toetrany dia tia mifandray amin'ny olona sady tia miserasera amin'ny manodidina azy ihany koa

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842