Fianakaviana mahantra kely tao Ravenne no nisehoan’i Pierre. Vao maty ny rainy dia nilaozan-dreniny i Pierre kely. Mafy ny nanjo azy ka ny rahalahiny iray antsoina hoe Damien no nanavotra azy. Mpiandry kisoan’olona izy no nalainy hiditra an-tsekoly ka tonga mpampianatra tao Parmes sy Ravenne.
Rahefa feno 28 taona izy dia niditra ho relijiozy Camaldules (naorin’i Masindahy Romuald), ka valo taona taorian’izany dia voatendry ho lehiben’ny Ankohonam-pikambanana tao Fonte-Avellano.
Ny Pierre dia avy amin'ny teny Grika hoe petrous midika hoe vatolampy,ary ny Damien dia antsoina hoe Damia na hoe fahavokarana
Loharano: RadioDonBosco
Nampidirin'i admin