Mb. Viviane - 2 desambra

02 Desambra — Fanta-daza tamin’ny toepanahy Kristianina tokoa i Viviane. Flavien ny Rainy, ary Prefet tao Roma Izy io, ary napidirin’i Julien la Poste tany amponja Izy satria Kristianina tamin’izany. 

Nalefa sesitany tany Taoskanina Izy sy ny rahavaviny. Niakatra fitsarana izireo, ary nasaina nivadika tamin’ny finoany, nefa tsy nanaiky izany. Novonoina teo no eo ity zandriny, fa i Viviane kosa dia mbola noviraviraina sy nampijaliana mafy talohan’ny nandatsahana ny ainy ny 2 Desambra 362.  

Ny Reniny kosa dia nijanona tao Roma ary nampijaliana sy notapahin’ireo tsimatahotody ny lohany.

Nampidirin'i onjarave

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079