Md. Basile sy Grégoire - 2 janoary

Olomasina roa lehibe nanan-danja teo amin'ny fiainan'ny Fiangonana tany Kapadosia (Torkia) tamin'ny taonjato faha 4 i Md. Basile sy Md. Grégoire. Mpinamana izay samihafa toetra kanefa koa nifameno. Niara-niasa ho an'ny fanompoana ny mahantra sy ny kely indrindra izay endrik'Andriamanitra velona izy ireo.

Voici deux géants de l'Histoire de l'Église au 4e siècle, en Cappadoce (Turquie). Deux amis, fort différents de tempéraments mais devenant complémentaires. Ils tenaient ferme les deux bouts de la chaîne de l'Amour : contempler la Sainte Trinité et servir les pauvres et les petits, icônes du Dieu vivant.

Basile le grand (329-379) dia niavaka tamin'ny asa nanendrena azy tany Atsinanana. Grégoire de Nazianze (329-390) kosa dia poeta sy mpikabary nahay nandresy lahatra. Samy nahiratra tamin'ny fianarany tao Athènes izy roalahy ary noeritreretina ho toa ny sangany amin'ireo mpandaha-teny any aoriana any. Nandao ny zavatra rehetra nefa izy mirahalahy ka niditra ho mpitoka-monina tany Kapadôsia, ary tany izy ireo no voatendry ho eveka.

Md. Basile, evekan'i Sézarea (Kayseri any Torkia amin'izao), dia tsy nikely soroka nitandro fatratra ny foto-pinoana niraisan'ny Fiangonana nolovaina tamin'ny konsily tany Nicée (325). Nanambana mantsy tamin'izany fotoana izany ny fisamatsamahan'ny mpino. Nijoro ho mpiaro ny Finoana ny Trinité Masina sy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina izy tamin'izany. Mpiandriondry nikoizana koa izy ka nafana fo tamin'ny fitsinjovana ireo madinika. Imbetsaka izy no nangataka tamin'ny fitondran'ny mpanjaka ny hampihena ny hetra izay mianjady mavesatra amin'ireo vahoaka madinika. Niantso ny mpanan-karena koa izy mba hitsinjo ny mahantra: Hoy indrindra izy "Ny fananana mihoatra ny ilaina dia halatra atao amin'ny mahantra".

Md. Grégoire indray etsy andaniny, dia voatendry tamin'ny tsy nampoiziny ho evekan'i Konstantinopla ka nifanehitra tamin'ny fitondrana bizantina. Nantsoina hoe "Rain'ny manetry tena am-po sy ny madinika, izay tian'i Kristy indrindra" izy noho ny fitiavany manokana an'ireo sahirana. Nifanojo tamin'ny asa fanompoana nataon'i Md. Basile namany izy tamin'izany na dia tamin'ny endriny somary tsy niseho kokoa ara. Noho ny tsy fahavononany hifanandrina lalandava amin'ny mpitondra fanjakana tao antoerana dia nametra-pialana izy, roa taona monja taorian'ny naha eveka azy ka niverina nitokana sy nanohy ny fandalinany tao Kapadosia. 

Ny anarana hoe Basile dia avy amin'ny teny grika hoe "basileus" midika hoe mpanjaka. Ny Grégoire kosa indray dia avy amin'ny teny grika hoe "egregorein" na miambina.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101