Nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy

Alahady tsotra faha 4 mandavan-taona Taona B

Nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy” (Mk 1, 21-28)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana renintsika mba ho sakafon’ny Fanahy sy ho Vatsin’ny Aintsika mandritra ity herinandro ity dia mbola manohy ny ampahan’Evanjely nohenointsika tamin’ny heriny androany sy iny herinandro lasa iny. Vao niala teo amin’ny toerana niantsoany ireo ny mpianany tany Galilea i i Jesoa dia nandeha tany Kafarnaoma. Ary nony tonga tany Izy dia niditra tao amin’ny Sinagoga, toerana fivavahan’ny Jody, satria andro Sabata natokana hivavahana ny andro tamin’izay. Ary nony tao izy dia nampianatra sy nanasitrana lehilahy iray azon’ny demony.

Rehefa zohina akaiky ny fomba nanoratan’ny mpanoratra ny Evanjely dia tsy mba lazainy aoa kory hoe inona sy inona moa ny fampianarana nataon’i Jesoa tao an-Tempoly; fa ny mazava aloha dia hoe nahavariana ary nahatalanjona ny olona ny fampianarany tao satria nampianatra toy ny olona manana fahefana Izy tao. Ny tiana hambara amin’ny teny hoe nampianatra toy ny fahefana dia misy ifandraisany be dia be amin’ny fomba amam-panao jody. Voalohany indrindra, ny olona manana fahefana ihany no afaka mitory teny ao amin’ny Sinagoga ary tsy ny olona rehetra manam-pahefana ihany anefa fa izay nahazo fampianarana mendrika sy eken’ny fiaraha-monina ho olona to-teny. Koa eto, dia hamafisin’ny Evajely fa olona manana fahefana sy to-teny i Jesoa; ny Teniny dia ampy hahasarika ny olona sy hanova azy ao anaty.

Ny Fampianarana faharoa momba ity Evanjely androany ity ihany koa dia ny momba ny fomba nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy azon’ny demony. Tsy nanao fihetsika betsaka, tsy nanao kabary lava reny i Jesoa fa teny indraim-bava ihany no nataony: “Mangina, ary mivoaha amin'io lehilahy io”. Izay teny fohy izay ihany no nataony. Fa raha zohina anefa, dia teny fohy fa henjana ireo Teniny ireo. Teny mahery, teny mitondra fahafahana. Tsy mba teny manambitamby fa teny mandidy sy maneho fahefana tanteraka. Teny sahy, teny mikendry fanavotana.

Ireo trangan-javatra roa ireo no aminavinantsika ny tian’ny Evanjely hiainantsika mandritra ity alahady ity sy mandritra ity herinandro vaovao lalovantsika ity. I Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra nirahiny ho tonga Nofo mba hiara-monina sy hiaraka miaina amintsika zanak’olombelona. Zanak’Andriamanitra Izy fa ao Aminy feno ny maha Andriamanitra Azy ary manam-pahefana tahaka an’Andriamanitra Rainy Izy. Ny Teniny dia afaka manova manontolo ny fiaintsika. Antsoina sy manana anjara amin’izany Tenin’i Kristy izany isika Kristianina. Rehefa mavaivain’ny Fiainana isika ka mila ho kivy sy ketrakin’ny asin-tsaina maro-sosona, ny vaha-olana tena haingana indrindra dia ny manatona an’i Kristy ary mihaino ny Teniny. Vakiana ny Evanjely, vakiana ny Tenin’Andriamanitra amin’izay fotoana izay. Tsy voatery ho azo eo noho eo ny tiany hambara, tsy izay no sakana; fa i Jesoa no hiasa amin-kery mangina ao amin’ny Teniny ka hanova ny fiainantsika ary hanafaka antsika amin’ny gejan’ny ratsy rehetra mety mamatopatotra ary hampody hasina antsika indray amin’Andriamanitra Ray. Ny Tenin’Andriamanitra, izay tanteraka sy tontosa ao amin’i Kristy no hanova sy hanangana antsika indray, hanangana sy hampijoro antsika ho sahy hiatrika ny fiainana ary ho sahy fa tsy hiraviravy tànana na dia eo aza ny mety ho karazam-pangejana amin’ny endrika maro samihafa. Koa alao hery àry, raiso ho anao i Kristy Tenin’Andriamanitra, raiso ho anao ny Teniny; ivelomy ary ataovy ho ampinga fiaro amin’izay mety mitranga rehetra amin’ny fiainana.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732