Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy

Alahady fahatelo amin'ny Paka - Taona A

Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy” (Lk 24, 13-35)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Emaosy. Tanàna eo amin’ny roapolo kilaometra eo miala avy eo Jerosalema renivohitra. Ireo roalahy lazain’ny Evanjely dia mponina ao Emaosy ary mpanara-dia an’i Kristy sy nihaino ny fampianarany. Niakatra tany Jerosalema izy ireo nanatrika ny fisamborana sy ny fitsarana an’i Jesoa ary nanatrika ihany koa ny nandevenana Azy. Vao voalevina i Jesoa dia nitoetra andro roa tao Jerosalema izy roalahy vao nody. Vita tantara: ny làlana mody no asiana olona sady tapitra rahateo ny mety ho fanantenana rehetra. Ary eny an-dàlana mody izy ireo no miady hevitra sy mifanatsafa momba an’ity Mpampianatra nikoizana narahan’izy ireo dia kanefa dia izao maty izao. Mandritr’izany tafatafa manara-dàlana izany izy roalahy no indro lehilahy anankiray tafara-dia amin’izy ireo. Dia mba raikitra nanatsafa ihany koa ity mpiara-dia ny amin’ny anton’ny adihevitra ifanaovan’izy roalahy. Dia indro ity vahiny mpiara-dia tsinahy fa rafitra nanazava tamin’izy roalahy momba ny Soratra Masina sy ny hevi-dalina momba ny Asam-pamonjena novinanian’ny Mpaminany taloha ary notanterahin’ilay Mesia voahombo ho faty.

Ny andavanandro-piainantsika ihany koa indraindray koa dia tojo sedra tahaka an’izany. Resin’ny adim-piainana ny fiainam-pinoantsika ka milofika sy lasa saina isika mandinika ny hoavy. Mba mifampiresaka amin’izay olona akaiky ihany isika; mba mifampizara an’izay manahirana amin’izay olona mahatoky ihany isika. Mety izany fa saingy hadinontsika fa ao i Kristy ilay tena fototrin’ny Finoana sy ny fandresena ny manahirana rehetra amin’ny ady atrehina ara-pinoana. Fa soa ihany fa Izy Kristy tsy miandry hantsoina vao manantona antsika fa vao mahita antsika anaty fahasahiranana Izy, dia Izy mihitsy no misisika milahatra miaraka amintsika mamakivaky ny làlana diavintsika. Ary tsy izany ihany fa ankahereziny, hazavainy ny saintsika hahatakatra ny misterin’ny Famonjena amin’ny Fandinihantsika ny Soratra Masina.

Nony tonga teo an-tànana izy roalahy dia nanasa an’Ilay Mpivahiny mba hiakariva miaraka amin’izy ireo. Ary teo am-pisakafoanana dia nandray ny mofo Ilay Vahiny, nisaorany ny Tompo ary nozarainy tamin’izy roalahy. Vao nanao izany Ilay Vahiny dia nahalala avy hatrany izy roalahy fa hay ny Tompo io.

Impiry isika no mba te-hihaona amin’ny Tompo ary maniry ny mba hahatsapa ny fisiany eo amin’ny fiainantsika marina tokoa. De mihevohevo atsy, mihevohevo aroa fa saingy tsy afa-po ary vao maika aza mahatsapa fa tena manalavitra ny Tompo. Hadinontsika fa ny hahitana ny endrikin’ny Tompo dia eo am-pamakiana ny mofo. Misy heviny roa ity famakiana ny mofo ity. Ny voalohany dia ny fifampizarana. Rehefa mizara izay eo an-tànana isika kristianina dia i Kristy mihitsy no tsapain-tànana sy azo endrika avy hatrany. Endrika iainana akaiky dia akaiky ny Fitiavana ny fifampizarana. Fitiavana i Kristy. Ny hevitra faharoa dia miompana amin’ny Eokaristia. Sakramenta misy ny Vatana sy Ran’i Kristy manontolo amin’ny endrikin’ny mofo sy divay ny Eokaristia. Raha te-hihaona amin’i Kristy isika dia tsy hanao antsonjay ny fandraisana sy fifampizarana ny Sakramentan’ny Eokaristia.

Hamaranako ny fifampizarana dia izao: Miara-dàlana amintsika isan’andro ny Tompo na ao anatin’ny hafaliana na ao anatin’ny manahirana; tsy miandry hantsoina Izy fa Izy no tonga miara-dàlana amintsika mialoha. Tsy saina sy fahalalàna fotsiny no entina mamaky ny Soratra Masina, fa ilaina dia ilaina mihitsy ny Finoana sy ny Fanantenana. Manaova Komonio am-pahamendrehana fa ny Eokaristia dia i Jesoa mihitsy no ifampizarantsika rehetra.

Mirary alahady finaritra

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883