Alahady tsotra faha 20 mandavantaona - taona A
“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao” (Mt 15, 21-28)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Raha atao indray mijery ireo Vakiteny sy Soratra Masina renesintsika amin’ity Alahady androany itikatra dia azo fintinina amin’ny hoe: Tsy mifidy tavan’olona Andriamanitra amin’ny fizarany ny harem-pahasoavany fa manome mitafotafo an’izay mangataka Aminy amim-paharetana sy Finoana. Tsy ny fiaviana na ny saranga no anomezan’Andriamanitra ny fahasoavana ho an’izay miangavy Aminy an’izany fa ny faharetana miandry am-pinoana izay omeny. Tsy miankina amin’ny “izahay moa mainty ko” ny fahafahana na tsia mandray ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra fa ny rehetra mihitsy no afaka ary manana zo feno higoka ny mamy avy amin’ny Tompo. Kanefa, ny fanovozana ny fahasoavana ao amin’ny Tompo koa anefa tsy hoe sanatria “tantely afa-drakotra, ka mangarona daholo izay te-hangarona” fa misy kosa marimaritra iraisana eo amin’ny mpanolotra sy ny mpandray; ny fepetra tokana takian’Andriamanitra amin’ny tsirairay miandry famonjena avy Aminy dia ny faharetana amin’ny finoana. Teny roa zary iray ireo dia ny Faharetana sy ny Finoana: tian’Andriamanitra raha manam-paharetana amin’ny finoana ny olona miandry vonjy avy Aminy.
“Fo noana tsy mahamenatra”. Raha adika amin’ny teny andavanandro dia hoe: ny hanoanana tsy mahasakana ny henatra. Rehefa tojo hanoanana tokoa dia mihinana izay misy eo ary tsy anànana henatra. Rehefa misy zavatra tena iriana mafy satria miankina amin’izany ny fahavelomana dia tsy manana hena-maso fa dia misisika mihitsy hahazo ilay izy. Toy izany no nanjo ity renim-pianakaviana lazain’ny Evanjely amintsika ity. Ao anaty vahoaka ao izy no miantsoantso sy mikaikaika miantso an’i Kritsy: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak'i Davida, fa ampijalian'ny demony mafy loatra ny zanako vavy”. Na ny mpianatra aza efa sorena mihitsy satria angamba nanembatsembana ny olona mihitsy ny fihainoana azy. Fa tsy izany ihany no henatra tsy nananany fa na dia efa nandraisan’i Jesoa fanoharana mampitovy azy amin’ny alika kely aza izy dia tsy nihemotra fa vao maika nisisika ihany. Ny fo noana tokoa tsy mahamenatra. Mamy ny aina ary sarobidy ny sombiniaina. Efa ela niaretana fangirifiriana loatra ity reny ka tsy tahotra tsy henatra intsony fa dia niantsoantso an’i Jesoa ao anaty vahoaka be ao. Malahelo an-janany loatra ity renim-pianakaviana ity ary noana mafy fahasalamana ho an’ilay malalan’ny ainy ka tsy nahalala menatra intsony fa dia nisisika ihany. Asesikin’ny hanoanana fahasalamana ka tsy mitotaly izay henatra sy baraka.
“Finoana tsy mahamenatra”. Tsy ananana henatra ny fiainana ny Finoana; tsy ahalalàna izay baraka mety ho azo ny fifikirana amin’ny Finoana. Ity renim-pianakaviana ity dia nanam-pinoana tanteraka fa hahasitrana ny zanany efa ela niaretana fangirifiriana amin’ny aretina i Jesoa; nino an’izany izy. Dia tsy nahalala menatra izy nijoro tamin’izany finoany izany: ao anaty vahoaka ao izy no niantsoantso an’i Jesoa hanasitrana ny zanany vavy. Nino izy fa manana ny fahefana hanasitrana ny zanany i Jesoa ka tsy nahalala menatra izy naneho an’izany Finoany izany tao anaty vahoaka tao. Na dia efa “resaka alika” aza no fampitahana nataon’i Kristy azy dia tsy menatra an’izany izy fa nisisika ihany nila vonjy tamin’i Tompo satria inoany tsara mihitsy fa manana ny fahefana hanamaivana ny rofin-janany ity Zanak’i Davida iandrasany fanasitranana ity. “Ny fo noana manosika hitady” ary “ny Finoana mahazaka maniraka”; hianatra an’ity vehivavy ity anie isika rehetra ka sady hanana herim-po hisisika tsy amin-kenatra hiangavy amin’ny Tompo izay tena ilaintsika, no ihany koa tsy ho menatra amin’ny Finoana fa tsy misy tsy hain’ny Tompo atao.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary