Alahady faha 6 tsotra mandavan-taona - Taona A
“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ny fanjakan’ny lanitra ianareo” (Mt 5, 17-37)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Mbola manohy ny famakiana ny Evanjelin’i Md Matio hatrany isika amin’ity alahady ity. Raha ataotsika jery todika fohy ny hafatra nampitaina tamintsika tamin’ny heriny dia azo fintinina amin’ny teny fohy hoe ho “fahazavana sy fanasina eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy ny Kristianina tsirairay”. Tsangan-kevitra vaventy izany teny hoe ho “fahazavana” sy “fanasina” izany. Fa ahoana kosa ary no fomba hiainana izany teny izany mba ho tonga nofo sy ho tò? Izany indrindra no fampianaran’ny Evanjely ho antsika androany sy mandritra ity herinandro vaovao diavintsika ity. Fitsipim-piainana no aroson’ny Fiangonana amintsika mba hahafantsika ho jiro sy sira, ho fanazavana sy fanasina eo amin’ny tontolo manodidina antsika. Tsy dia hoe môraly fe môraly akory ny fampianaran’ny Evanjely fa tena didi-pitiavana mihitsy.
Ny mpanora-dalàna, ao amin’ny Testamenta Taloha manko dia môraly ho entina hamakivaky ny fiainana sy hanatsarana ny fiaraha-monina, no nimasoany. Nanoratra lalàna ireo olona lalim-pahaizana ireo mba hifampitsinjovan’ny mpiara-belona sy mba hanitsiana izay mety hibiririoka hanimba ny hafa. Ny lalàna dia napetrak’ireo oloben’ny finoana jody ireo mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy mitsinjo ny hafa. Ny lalàna dia nosoratana sy noraketina ao anatin’ny fomba amam-panao mba ho voahaja ny zon’ny hafa ary mba hitovy lenta ny adidy iantsorohan’ny tsirairay eo anivon’ny fiaraha-monina. Ohatra amin’izany lalàna jody izany ny hoe: izay mamono olona dia tsaraina. Natao ny lalàna momba ny tsy fahafahana mamono olona mba ho voahaja ny zon’ny aina. Fa ho an’i Jesoa kosa, dia tsy tokony hianina amin’ny lalàna fotsiny ny fomba fiainana kristianina fa tokony hihoatra lavitra an’izany. Raha lazaina tsotra sady faran’izay haingana dia hoe: ny lalàna dia tsy maintsy hajaina fa ny fototrin’ny môraly kristianina dia ny “Fitiavana”. Ny lalàna dia mampianatra fa tsy azo atao ny mamono olona, fa ny fitiavana kosa mampianatra fa tsy azo atao na dia ny mitezitra ny hafa aza. Ary ny hafa dia raisina ho toy ny rahalahy fa tsy olona hafa akory aza. Izany no fampianaran’i Jesoa ary izany no fitsipi-piainana Kristianina. Raha izany, ho an’i Kristianina, ny fitsipim-pitondrantena voalohany indrindra dia tsy ny tahotra ny lalàna fa ny tosikin’ny fitiavana. Izay rehetra atao, izay rehetra kasaina, izay rehetra tenenina, ho an’i Kristianina, dia atosikin’ny fitiavana avokoa.
Ny fiainana izany toe-panahy feno fitiavana izany no haha-jiro sy haha-sira ny kristianina eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy. “Lazaiko marina aminareo fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra ny fanjakan’ny lanitra ianareo” hoy i Kristy. Ny tiany holazaina dia ny hoe: tandrovy ny rariny amin’ny fanajanao ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina misy, fa ambon’izany rehetra izany dia ivelomy ary ataovo ho fenitra fototra eo amin’ny fiainana ny fitiavana ny hafa ho toy ny rahalahy; amin’izay dia ho azo antoka ny lanitra anjara lovanao. Rehefa miaina izany fitiavana izany aho, ary rehefa mandray ny hafa ho toy ny rahalahiko dia mivelona ny maha fanazava sy maha fanasina ahy eo anivon’ny fiaraha-monina misy ahy. Fa tsy hoe ho sira sy jiro ho an’ny manodidina ahy fotsiny aho rehefa miaina ny Fitiavana fa io Fitiavana io no hitsarana ahy ho mendrika na tsia ny hasambarana mandrakizay rehefa mandao ity tany fandalovana ity. Ny Fitiavana no saram-bidy hahafahako mandray anjara amin’ny figohana ny hasambarana mandrakizay. “Tiava àry marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao”
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary