Alahady faha 22 tsotra mandavantaona - Taona A
“Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany, ka hanaraka Ahy” (Mt 16, 21-27)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Betsaka ny làlana sy ny fitsipika tsy maintsy arahantsika eo amin’ny fiaraha-monina; arahana ny lalàna mifehy ny firenena raha tiana ny hanaraka ny fiainam-pirenena, arahana ny lalàna mifehy ny fiangonana raha tiana ny hanaraka ny fiainam-piagonana, arahana ny lalàna mifehy ny faritra raha te-hiaina ao amin’ny faritra, arahana ny lalàna mifehy ny foko sy ny firazanana raha tsy te-ho voailika ara-poko, arahana ny lalàna mifehy ny fianakaviana raha te-hitoetra milamina eo an-kohonana, eny, arahana aza ny lalàna mifehy ny tena raha te-hanaraka fitondra-tena mendrika. Ary tsy izany ihany, fa isak’ireo sokajim-pisiana rehetra ireo dia tsy vitan’ny hoe lalàna tokana na roa no mifehy ao fa an-jatony sy an’arivony. Ny lalàna mifehy ny fiangonana katolika fotsiny izao no efa misy 1752 be zao, ankoatr’ireo zana-dàlana misy any amin’ny firenena sy ny faritra tsirairay. Lazaiko eto am-piandohana aloha fa tsy hoe sanatria milaza aho hoe tsy ilaina ny lalàna; ilaina ny lalàna ary ny ilàna azy mihitsy aza no ifampizarako eto. Na i Jesoa koa aza dia mba nametraka lalàna ho an’ireo izay te-hanaraka Azy; tsy dia hoe moa lalàna dia manao ahoana fa rafitra sy fitsipika napetrany ho an’ireo te-hanaraka Azy. Ny lalàna napetrany dia anakiroa ihany; roa fa saingy iray ihany rehefa tena zohina: mandà tena ary mitondra ny hazofijaliana. Iray ihany satria mifameno izy roa ireo, na azo lazaina ihany koa fa mifanjohy. Averiko, izay te-hanara-dia an’i Kristy dia lalàna tsotra no arahana: mandà tena ary mitondra ny hazofijaliana.
Toy ny hoe tsotra tokoa raha izany. Dia tsotra tokoa aloha satria lalàna tokana ihany kay ny manara-dia an’i Kristy; raha te-hiaraka Aminy sy te-hanohy ny ataony ary te-hiaraka monina Aminy dia fehin-dalàna tokana ihany no arahina. Tsotra. Saingy mifono hevi-dàlina ary mahafaoka fehin-dàlana maro ireo teny kely sady fohy ireo. Tsy hoe zavatra ho tandremana fotsiny, na koa fihetsika mila arindra fotsiny no takian’ireo teny fohy ireo fa tena fiainana iray manontolo mihitsy no tsy maintsy ampifanarahina sy arindra hifanaraka amin’izay fehin-teny fohy izay. Fiainana iray manontolo mihitsy no tsy maintsy arindra mba ho tanteraka io fandava-tena sy fitondrana ny hazofijaliana io. Tsy mba toy ny lalàna sy fitsipika ara-piaraha-monina rehetra fahitantsika andavanandro ny an’i Kristy ka hoe fihetsika fotsiny no tandremana fa tena fiainana manontolo mihitsy no tsy maintsy ampifanarahana amin’izany. Fiainana manontolo mihitsy satria ny “tena” iray manontolo no tsy maintsy ampifanojoana amin’izay sitrapony.
Ny fandavana ny tena tian’i Kristy hiainan’ireo izay manara-dia Azy dia tsy zavatra ho foronina na halaina tahaka alavitra fa ny nataony ihany no alain-tahaka. Zanak’Andriamanitra Izy; fa saingy tsy nizahozaho tamin’izany fahamboniany izany fa nafoiny tateraka aza izany mba hitovizana amin’ny olombelona. Ny fandavan-tena kristianina dia ny fahafoizana ny maha-izy azy ny tena ka miondrika amim-panetren-tena manoloana ny fahasoavan’Andriamanitra ary mandray izany amin-kalemem-panahy. Ny fandavan-tena araka ny hevitr’i Kristy dia tsy hoe sanatria fanaovana tsinotsinona ny tena fa kosa fiekena amim-pahatsorana ny maha tsinotsinona ny tena manoloana ny fahasoavan’Andriamanitra miavosa. Izay fiekena izay, izay dia izay ihany no hery hahafahana mandray sy mitondra ny hazofijalian’i Kristy. Ny hazofijaliana ho lanjaina manko eto dia tsy bolongan-kazo fa fiombonam-piainana miaraka amin’i Kristy; miaraka mandavorary Aminy ny asam-pamonjena hahatonga ny olona rehetra ho tena zanak’Andriamanitra mendrika.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary