Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro

Alahady tsotra faha 27 mandavantaona - taona A

Ny vato narian'ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro” (Mt 21, 33-43)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Isika malagasy moa tsy dia mpamboly voaloboka loatra; misy ihany ny mamboly eo anivon’ny fianakaviana fa saingy natao ho sakafo ihany fa tsy dia natao ho fidiram-bola loatra. Tsy ao anatin’ny koltora malagasy loatra ny voly voaloboka. Ny fanoharana atolotr’i Kristy ho antsika anio anefa dia mahakasika ny fikarakarana ny tanimboaloboka; ary indrindra, mahakasika ny mahasarobidy azy. Tsy manakana antsika hamakafaka ny tian’i Kristy hambara amintsika anefa ny fahasahamihafan’ny koltorantsika sy ny an’ny jody mahakasika ny tanimboaloboka satria tsy dia mifanalavitra amin’ny antsika malagasy momba ny “tanindrazana” sy ny “anarandray” ihany izy io. Ho antsika malagasy dia ny tanimbary no azo anoharana ny tanimboaloboka raha oharina amin’ny jody; toy ny mahasarobidy ny tanimbary eo amintsika malagasy no mahasarobidy ihany koa ny tanimboaloboka eo amin’ny jody. Fampidirana tsotra ihany izany hahazahoantsika ny tian’i Kristy hambara amin’ity fanoharana androany ity.

Raha tohizana ny famakiana ny Evanjely dia madiva amin’ny hoe “Nony nandre ny fanoharana nataony ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nahalala fa izy ireo no lazainy amin'izany”. “Izy” ary “ireo” no lazainy amin’izany fanoharana izany. I Kristy no lazain’ny fanoharana ho “Zanaka lahitokana” ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona no “ireo” ambarany. Fa tsy ry zareo ihany anefa no “ireo” fa isika ihany koa. Ary eto indrindra no hitondrako ny fifampizarana amin’ity alahady faha-27 androany ity. Avelantsika hivalona any ny momba ireo lohandohan’ny mpisorona sy loholona ireo fa ny antsika no andeha ho jerena akaiky. Tsy izany manko fa na isika ihany koa dia loholona ihany koa eo amin’ny ataontsika andavanandro. Ireo olona voalaza sy voatonona ao amin’ny Evanjely ireo dia olona fatra-panaja ny fomba amam-panao ara-pinoana sy fivavahana. Dia toy izany ihany koa isika; mivavaka isakin’ny alahady, manao sy manaja ny fomba amam-panao ara-pinoana isan-karazany, manatanteraka ny làlana sy ny fitsipika mifehy ny fombam-pinoana isan-tokony. Fa saingy ny indro kely dia hadino ny tena votoaton’ny Finoana dia tsy inona akory fa ny Fanajana ny sitrapon’ny Ray. Tsy haka alavitra aho amin’ny fanazavana momba izany fa ny tenako no hataoko ohatra ary ny momba ahy no holazaiko dia ny tsirairay indray avy eo no aoka samy handinika ny azy. Ny “ankizilahy” irahin’ny Tompo amiko mba hijinja ny vokatra amiko dia tsy iza akory fa ireo mpiara-monina sy mpiara-miriaria amiko. Misy amin’ireo namako sy mpiara-monina amiko no manitsy sy mananatra ahy hizotra amin’ny làla-mahitsy; dia manoro sy manohitohina ahy izy ireo amin’izay tsy mety ataoko ary miteny amiko mba hanome vokatra tsara ho an’ny Tompo amin’izay ataoko. Fa saingy manohatohana ahy amin’izay tiako hataoko ireo olona ireo ka lasa fahavaloko; manohatohana ahy higalabona amin’ny fiainana tsy manjary ireo olona ireo ka raisiko ho fahavaloko. Impiry aza aho no nandray ho rafiko ireo olona miteny ahy amin’ny zavatra sy fiainana tsy mety ataoko; olona irahin’ny Tompo anefa ireo mba hioty vokatra tsara avy amiko mba ho an’ilay Tompon’ny tanimboaloboka dia ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Ary tsy izany ihany fa na i Kristy ilay zanaka lahitokan’ny Ray aza dia voalako sy voalatsa-drà amin’ny ataoko satria dia toheriko ankitsirano zao ny Teniny amin’ny fahotako sy ny fitiavan-tenako. Rehefa mankahala ireo olona manitsy ahy sy manoro ahy ny tsy mety aho dia tahaka ny mamono ny irakin’ny Tompo; rehefa manao antsirambina ny didim-pitiavana aho dia mamono an’i Kristy mihitsy. Samia mamisavisa…

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0693