Alahady Faharoa Karemy Taona A
“Mitsangàna fa aza matahotra” (Mt 17, 1-9)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Miditra amin’ny Alahady sy herinandro faharoan’ny Karemy isika mianakavy izao. Herinandro izay no lasa, fito andro izay no nolalovantsika manoloana ireo efa-polo andro maha-Karemy ny Karemy. Alohan’ny handrosoako aminao ny fifampizarantsika ny Evanjely ary dia ho fintiniko fohy aminao ny maha-Karemy ny Karemy. Eny e, efa nasiako teny ihany moa tamin’ny heriny ny momba izany; niompana bebe kokoa anefa ny fanazavako ny amin’ny nahatongavan’ny fombam-pinoana kristianina amin’ny Karemy. Raha fintinina fohy; ny Karemy dia efa-polo andro, toy ny nataon’ny zanak’Israely sy Jesoa tany an’efitra, natao hibebahana sy hihavaozam-panahy. Eto kosa no hanazavako fohy ny anton’ilay fibebahana sy fihavaozam-panahy. Afaka efa-polo andro dia hankalaza ny Paka isika Kristianina; Paka ankalazantsika an’i Kristy maty fa nitsangan-ko velona, Paka ankalazantsika an’i Kristy misantatra antsika handresy ny fahafatesana, Paka fototrin’ny Finoantsika Kristianina. Mba hahamendrika antsika hankalazana sy handray anjara matotra kokoa amin’izany fandresen’i Kristy izany no andalovantsika sy iainantsika ny Karemy.
Ny fibebahana sy ny fihavaozam-panahy iainana mandritrin’ny karemy dia aseho amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy fivavahana ary ny fanaovana asa sy fihetsika soa. Mifady hanina mba hifehy ny nofo satria ny olona mahafehy ny nofo no afaka hifehy kokoa ny fanahiny. Mivavaka bebe kokoa noho ny fanao mahazatra satria ny vavaka no tendro mampifandray amin’Ilay Andriamanitra Tokana Olona telo. Mandritrin’ny Karemy dia entanina ny Kristianina mba hanao asa soa; tsy hoe hamorona ny tsy misy fa izay tambin’ny fifadian-kanina no atolotra ho an’izay tsy manana noho ny tena. Fa mandritrin’ny Karemy ihany koa no anaovana antso avo ny Kristianina mba hiova toetra sy fihetsika; hiala amin’ny fahotana mahazatra, hanova famindra ka mba hiady amin’ny filan’ny nofo manimba ny fanahy. Antsoina isika hiaina izany fihavaozana izany ka hanao ezaka isan’andro amin’ny fiovana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Isika koa anefa “Olombelona miloloha lanitra ka mety tena, mandia tany ka solafaka”. Ka na dia miezaka sy milofo ho amin’ny fihavaozana aza dia potraka ihany rehefa donainin’ny harerahana sy halemen’ny nofo. Im-piry moa aho no efa nanapakevitra tsy hiverina amin’iny fahotako iny intsony; dia niezaka aho, nilofo aho, namindra hatrany mba hiady amin’ilay fakam-panahy. Fa indrisy, lavo indray aho fa mbola osa; dia tafaroboka amin’ilay fahotana efa nanimba ny fanahiko sy nahamenatra ahy teo anatrehan’ny Tompo. Dia mahatsiaro tena ho nanosihosy ny fihavanako amin’ny Tompo aho, mahatsiaro tena ho diso eo anatrehako sy eo anatrehan’ny olona rehetra; hany ka sady menatra an’Andriamanitra no menatra ny tenako. Dia mitanondrika irery mandinika ny fahalemeko. Manoloana izany fahareseko sy fahakiviako izany indrindra i Jesoa no miteny amiko indray hoe “Mitsangàna fa aza matahotra”. Teny mamy, Teny soa; mamy sady soa satria mampitraka ahy indray hiatrika ny adiko ho amin’ny fiovana, mamy sady soa fa mankahery ahy hitraka ho amin’ny fihavaozana, mamy sady soa fa mandio ahy indray na dia efa nihosina tamin’ny ota aza aho.
Misy fotoana ianao resin’ny fakam-panahy satria olombelona nofo sy rà. Kanefa aza hadino fa tsy irery ianao akory amin’ny adinao ho amin’ny fiovam-panahy. Ary tsarovy mandrakariva fa eo ny Tompo hiaraka hiady aminao ho amin’ny fihavaozana. Aza matahotra ny hitraka sy hiroso amin’ny fahamasinana; momba anao i Kristy.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary