Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran'ny ondry

Alahady fahaefatra amin'ny Paka

Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran'ny ondry” (Jn 10, 1-10)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Mialohan’ny hifampizarantsika ny Tenin’Andriamanitra amin’ity Alahady fahaefatra amin’ny Paka ity dia mahafaly ahy ny miarahaba antsika rehetra malagasy Mpiray Tanindrazana fa neken’ny Fiangonana Katolika romana ary natsangany ho Olontsambatra ny Malagasy iray rà amintsika dia i Ramose Lucien BOTOVASOA. Teratany Malagasy izy; zanakin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Avy amin’iny faritra Vohipeno iny i ramose Botovasoa. Maty martirin’ny finoana teo amoron’ny renirano Matitana tamin’ny 17 avrily, taona 1947 izy. Notapahin-doha teo amoron’ny renirano izy fa niaro ny Finoana sady tsy nety hiray tsikombakomba amin’ny ady mandatsa-drà. Izy no Malagasy Olontsambatra miaraka amin-dry Victoire RASOAMANARIVO sy Frera Louis RAFIRINGA.

Ny Finoana dia tsy inona akory fa ny Fahatokisana an’Ilay Andriamanitra Mpahary, izay naniraka ny Zanany Lahitokana ho fanavotana ny besinimaro. Manatanteraka ny asa Famonjeny miaraka amin’ny Fanahy Masina Mpankahery ny Zanaka ary manatontosa ny irakinin’ny Ray ho antoka hahazahoantsika rehetra ny Lanitra anjara lovantsika. Endrika iray isehoan’izany asam-pamonjena izany ny famondronan’i Kristy antsika rehetra ho iray vala ka izy no Vavahady. Ohatra no ilazan’ny mpanoratra ny Evanjely amintsika androany fa i Kristy no varavaran’ny ondry. Koa raha izy no vararana dia isika rehetra kosa no ondry tiany ho ao am-bala. Ohatra hoy aho io lazainy io fa tsy hoe sanatria manahala antsika amin’ny biby ny Tompo. Fantatsika tsara fa rehefa mampianatra i Kristy dia mampiasa ohatra mandrakariva mba ho azontsika kokoa ny fampianarany ary mba ho tonga nofo kokoa ny lazainy.

Kisary telo no tian’i Evanjely ho raisintsika. Ny Vavahadin’ny Ondry dia tsy iza fa i Kritsy. Ny ondry tokony ho ao anaty vala dia izaho, ianao, isika rehetra tsy misy avakavaka. Ny valan’ondry dia tsy inona fa ny Fanjakan’ny lanitra omanin’ny Ray handraisantsika rehetra anjara. Isika rehetra dia samy manana fahafahana handray anjara amin’ny Fanjakan’ny Lanitra. Isika rehetra dia samy irin’Andriamanitra hiombona anjara Aminy amin’ny hasambarana mandrakizay. Voaantso ho amin’izany Fiainam-pahafenoana izany isika rehetra. Tian’Andriamanitra ho vala tokana ao amin’ny hasambarana mandrakizay isika rehetra ary tsy tiany hisy ho very ka ho “taraiky” any ivelan’ny vala. Ny Fanjakan’ny Lanitra anefa tsy hoe fanjakan’ny baroa ka izay te-hiditra amin’izay tiany hidirana dia afaka avokoa. Tokana ihany ny làla-miditra ao amin’ny Fanjakan’ny Lanitra dia i Kristy. Ny làlana tokana hahazahoako ny Fanjakan’ny Lanitra dia ny fidirako eo amin’ny varavarana-Kristy. Ny làlan-tokana hahazahoanao mandray anjara amin’ny Fiainana mandrakizay dia ny Finoanao an’i Kristy. Ny Làlan-tokana azo antoka hahatongavantsika any an-danitra dia ny fandalovantsika eo amin’i Kristy; izany hoe ny Fiainantsika Teniny sy ny Finoantsika Azy ho Tompo sy Andriamanitra ary Mpamonjy antsika. Tsy ny herintsika na oviana na oviana no hahazahoantsika ny Lanitra fa ny Fanavotan’i Kristy antsika ihany.

Eto am-pamaranana dia tiako ny hiteny kely momba anay, momba antsika Mpiandry ondry; isika mopera, isika pasitera. Fanaontsika matetika rehefa mampianatra sy mitory teny ny milaza “fa izay tsy mivavaka amin’ny fiangonanay dia tsy hahazo ny lanitra ary tsy ho voavonjy”. Mamita-bahoaka isika raha manao izany ary mandainga eo anatrehan’ny Lanitra. Tsy anjarako ary tsy anjaranao ny mametra ny Làlam-pamonjena fa misandoka ho Kristy vavahady aho raha miteny toy izany ary Mpiandry ondry adala ianao raha mbola manohy miteny an’izany.

Mirary alahady finaritra; samìa ho tahian’ny Tompo isika rehetra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102