Alahady tsotra faha 13 mandavantaona - Taona A
“Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny Amiko kosa no hahavonjy azy.” (Mt 10, 37-42)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Rehefa vakiana maimaika ity ampahan-tsoratra masina ity dia manafintohina ary mahagagagaga ihany. Ny andro voalohany namakiako an’izy ity dia no lasa ny saiko hoe “fa mitapy ve i Jesoa sa nifoka miafina, arakin’ny fiteny ankehitriny. Ahoana moa no ilazany hoe izay tia Ahy mihoatra ny reniny sy ny rainy dia tsy mendrika Ahy? Ary izay aza mbola leoleoko ihany fa ilay Teniny eo amin’ny andininy faha 34-35, izay tsy tafiditra ao amin’ny Evanjely vakiana amintsika amin’ity alahady ity, aza dia izao mihitsy no lazain’i Jesoa “Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eo an-tany aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; fa tonga aho mba hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozany vavy”. Dia gaga ianao. Gaga tanteraka satria toa mifanohitra amin’izay heverintsika ho tokony hataon’i Kristy ny zavatra ataony. Gaga satria i Kristy antenaina hitondra fihavanana indray no milaza fa hitondra fandravana tokatrano sy fianakaviana, hitondra fandravana hono Izy fa tsy fiadanana.
Ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia mbola manohy ny ny fampianaran’i Kristy ho an’ireo izay irahiny ho misionera ka hitory ny Teniny sy ny Tenany eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Raha tadidinao tsara ny fifampizarana nataontsika teto tamin’ny heriny, dia ny teny “aza matahotra” no fototrin’ny hafatr’i Kritsy ho an’ireo rehetra izay irahiny. Ary izay irahiny moa dia tsy iza fa izaho sy ianao ary isika rehetra mitonona ho Kristianina satria ao anatin’ny maha kristianina antsika rehetra ny ho voairaka hitory ny Vaovao Mahafaly ary hiantso ny Famonjena ho an’ny fiaraha-monina sy ny vanim-potoana misy antsika. Manohy izany hafatrafatra ataon’i Kritsy ho an’i kristianina rehetra izany ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika rehetra androany ity.
Raha vakiana maimaika hoy aho ity Evanjely ity dia manafintohina mihitsy; manafintohina satria tsy takatra manko ny tena hevi-dalina fonosiny. Voalohany indrindra aloha, i Jesoa rehefa miteny dia voambolana voafantina misarika ny saina sy ny fo handinika lalina no ampiasainy hampitana ny hafatrany. Faharoan’izay, tsy ho i Kristy mihitsy no haniry ny ratsy amintsika fa ny Azy ny tsara sy ny soa hatrany no iriny hiainantsika aza. Fahatelo manaraka izany, aza raisina ara-bakiteny ny zavatra lazain’ny Kristy fa manjary mibiririoka ary mijoboka ny fomba fandinihantsika. Ireo fanalahidy telo ireo no hahafahantsika mandalina ny tian’i Kristy ho lazaina amin’ity Evanjely ity. Araka izany, ny tiany ho lazaina dia tsy hoe akory ny hahapotika ny fihavanana sy fifandraisantsika mpiray tampo sy mpianaka, sanatrian’ny vava haladin’ny lela. Ny tiany ho lazaina dia tsy inona akory fa ny fanandratana ny hasin’ny asa fitoriana ny Vaovao mahafaly ary fanomezana lanja ny fiainana kristianina misionera ao anatin’ny fanarahan-dia Azy. Raha atao bango tokana dia izao: mamy ny fianakaviana. Masina ny fiombonana eo amin’ny ray amandreny sy zanaka. Sarobidy ny fihavanana eo amin’ny iray tampo, ny zoky sy ny zandry. Fa izay te-hanaradia an’i Kristy dia tsy maintsy hanome lanja bebe kokoa ny fanarahan-dia Azy ary tsy maintsy hihoatra lavitra ny hamamin’ireo fiainana volazako etsy ambony ireo ny tokony ho fanomezan-danja ny fiainana misioneran’ny Kristy; raha tsy izany dia tsy hitondra vokatra manko fa ho lany andro handrevy fotsiny an’i zoky sy zandry ary dada sy neny any am-pandehanana any, raha tsy izany dia hiroaroa saina fotsiny eo am-panaovana ny asa misionera ka lasa votso-droa fotsiny: ny an-tànana votsotra, ny antenaina tsy azo.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary