Izaho no fananganana sy fiainana

Alahady Faha 5 Karemy - Taona A

Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay” (Jn 11, 1-45)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Angamba kosa olona mihatsaravelatsihy izany hoe tsy mba matahotra fahafatesana izany; na farafaharatsiny mety tsy dia salama saina loatra. Azoko lazaina fa ny olona rehetra dia samy matahotra sy samy mba miala lavitra an’izany atao hoe fahafatesana izany avokoa. Tsy hoe haitraitra akory ny an’ny Ntaolo nilaza fa “lahitokana ny aina”. Tokana ny aina ary mendrika harovana. Ny fiarovana ny aina dia midika fanalavirana ny fahafatesana. Ny tahotra ny fahafatesana tiako ho tenenina eto dia ny fanalavirana ny fahafatesana. Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady fahadimy amin’ny Karemy ity dia fanazavana ny foto-pinoantsika Kristianina manoloana ny fiainana mandrakizay aorian’ny fahafatesana.

Ny olombelona tsirairay dia samy maniry ny mba ho lava velona. Fa tsy izany ihany; fa raha tahiny aza azo atao dia mba hitohy hatrany ny fiainana; izany hoe, mbola hiaina hatrany ao aorian’ny fahafatesana. Manjò ny miankandrefana rehetra moa ny fahafatesana; làlana tsy maintsy ho lalovana. Satry dia satry mba ho ela araka izay tratra ny fahatongavany; ary rehefa ho tonga ihany dia iriana dia iriana mba hitohy ao ambadikin’ny fahafatesana ny fiainana. Fanirian’ny rehetra ny mba ho velona aorian’ny fahafatesana; hetahetan’ny maro ny mba hanohy ny fiainana ao aorian’ny fahafatesana. Ny rehetra amintsika mihitsy aza no mba samy maniry fiainana aorian’ny fiafaran’ny fiainana. Dia samy manontany ny rehetra hoe inona no hatao hahafahana miditra amin’izany fiainana ao ambadikin’ny fahafatesana izany? Dia samy miezaka manome valiteny sy vahaolana ny rehetra. Tsy anjarako ny miteny hoe ny an’iza no diso na ny an’iza no marina, satria samy manao izay mahafalifaly ny fony moa arakan’ny fitenenana. Fa ny hany azoko antoka sy ekeko ho marina ary raisiko ho filamatra amin’ny maha katolika ahy dia ny tenin’i Jesoa hoe “Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay”. Aiza indray aho no hahita Teny mamy sady feno Fanantenana tahaka izany. Aiza indray aho no hahazo teny feno antoka hiatrehana ny fahafatesana sy handray anjara amin’ny fiainana ankoatrin’ny fiainana tahaka an’izany. Aia koa ro hahita?

Tenin’i Kristy io tamin’Izy nanangana an’i Lazara, anadahin’i Maria sy Marta. Nindaosin’ny fahafatesana ary efa voalevina am-pasana efa ho herinandro i Lazara no natsangan’i Kristy indray. Raisiko ho Teny finoana hiatrehana ny fahafatesana io tenin’i Kristy io. Izy Kristy no fananganana sy fiainana. Tsy mila vola harotsaka, tsy misy fakitiora haloa, tsy miandry lera sy filaharana, tsy misy analizy medikaly atao fa zavatra tokana no ilaina dia ny Finoana. Izay mino an’i Kristy, na dia efa maty aza, tahaka an’i Lazara, dia ho velona indray. Ary tsy izany ihany, fa rehefa mino an’i Kristy aza dia efa mahazo antoka fa tsy ho faty mandrakizay. Fa izao anefa, tsy hoe ara-bakiteny akory ny fahavelomana mandrakizay tiana ho lazaina eto. Ny ho velona mandrakizay dia tsy ny nofo tsy akory fa ny fanahy satria ny fanahy no maha olona. Raha hitsagan-ko velona ny olona dia ny fanahiny no hitsangan-ko velona mandrakizay. Hamafiso àry ny finoana an’i Kristy amin’izao herinandro faraparany amin’ny fiomanana amin’ny Paka izao fa izao no fotoana tsara anomanana ny fiainana ankoatran’ity fiainana iainantsika ankehitriny ity. Dia aza hadino ihany koa ny mivavaka ho an’ireo olona akaikin’ny fo izay efa nodimandry mba handray anjara amin’izany fiainana mandrakizany izany izy ireo.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0893