Alahady fahaenina amin'ny Paka - Taona A
“Hangataka amin’ny Raiko Aho,
ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo” (Jn 14, 15-21)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Ny hafatrin’ny maty dia manan-danja ho antsika Malagasy, ary ataoko fa tsy ny Malagasy ihany no mametraka ho lova sarobidy ny hafatrin’ny maty fa ny karazam-poko sy firenena samihafa. Ity am-pahan’Evanjely vakiana amintsika amin’ity Alahady fahadimy amin’ny Paka ity dia tafiditra ao anatin’izany hafatrin’ny maty izany satria hafatrafatra nataon’i Jesoa andro vitsivitsy mialohan’ny hirosoany amin’ny namonoana Azy. Ny hafatra voalohany nolazainy tamin’ny Mpianany eto dia ny Fitandremana ny didiny. “Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko” hoy Izy. Ny fanamporofoana voalohany indrindra fa Kristianina isika dia ny fitandremantsika ny didin’i Kristy. Tsy inona akory izany didy izany fa ilay Didim-pitiavana efa nampianariny ary notoriany hatraiza hatraiza. Tsy nanafatra izy hoe izay tia Azy dia tsy maintsy hanao fahagagana avy etsy avy eroa fa fotsiny ihany hitia sy hankamamy ny hafa mpiara-belona. Izany no hafatra voalohany.
Ny hafatra faharoa kosa dia tsy zavatra hataontsika fa fampanantenana goavana. Tsy inona akory izany fa ny fanomezany antsika ny Mpanafaka alahelo dia ilay Fanahy Fahamarinana. Tsy ho hitantsika maso intsony i Kristy toy ny nataony niaraka tamin’ny mpianatra. Ny fisarahana eo amin’ny maha olombelona dia miteraka alahelo sy tebiteby. Nampanantena antsika anefa i Kristy fa handefasany mpanafaka alahelo isika dia ilay Fanahy Fahamarinana. Io Fanahy io no hanafaka ny alahelontsika ary hankahery antsika amin’ny sarotra. Jereo fa im-betsaka ianao no tojo andro sarotra sy mahakivy noho ny tsy fahombiazana isan-karazany. Dia mipetraka aloha maka saina ary mitodika amin’i Kristy sy mitalaho Aminy mba hotolorany fanampiana ka hampitrakainy indray. Dia mahazo hery tokoa ary mitraka indray, mamafa ny ranomaso sisa tavela ary mioitra mamakivaky fiainana indray. Marina fa ianao no manao ny ezaka, fa ny marimarina kokoa dia io Fanahy Masina mpanafaka alahelo io no manoitra sy manosika anao hioitra sy hitraka ka hanohy ny adim-piainana indray. Inona moa izay herintsika no hirehareha isika fa hahavita zavatra. Tsy heritsika velively no manetsika antsika fa ilay Fanahy ao anatintsika ao no manavao indray ny herim-pontsika handroso hisedra ny sarotra.
Ny hafatra fahatelo farany eto dia mbola fanamafisana an’izany teny fampanantenana lehibe izany: “Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo Aho”. Mazava dia mazava izany tenin’i Kristy izany. Tsy ho kamboty isika. Marina, araka ny efa nolazaiko etsy ambony, fa tsy ho hitantsika maso intsony Izy saingy tsy ho irery isika ary tsy ho kamboty fa ho eo anivontsika mandrakariva Izy. Ho tsapantsika ary ho rentsika fa eo anivon’ny fiainantsika mihitsy Izy. Ny fahavelomany eo anivonao dia hahatsapanao fahavelomana ihany koa. Asa ianao raha toa ahy fa misy fotoana andalovana vani-potoana tena sarotra sy manahiran-doha. Dia velon-teny irery milaza hoe: “tsy ho vitako izany sedra izany”. Kanefa, rehefa lalovako ilay izy dia toy ny tsy re akory dia voasedra. Dia gaga indray aza aho ary mahateny irery hoe “tsy heriko ary tsy fahaizako no nahavitako izany ady sarotra izany”. Eo indrindra, ary amin’iny fotoana sarotra tsy ampoizinao iny indrindra kay no velona i Kristy, ary tsy velona lavitra Izy fa velona ao anatinao ao. Noho izany, hay tsy izaho no nanefa ilay ady sarotra fa i Kritsy: izaho no niatrika ilay sakoroka fa Izy no nandravarava azy. Azoko antoka mihitsy fa ny anton’ny fahavelomako ary anton’ny fahavelomanao dia i Kristy. Tsy izaho intsony no velona, tsy ianao intsony no velona fa i Kristy efa nandresy ny sarotra rehetra no velona ao anatitsika.
Mirary Alahady finaritra
Mompera Nary