Alahady faharoan'ny Paka - Taona A
“Ho aminareo anie ny Fiadanana” (Jn 20, 19-31)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Miditra amin’ny herinandro faharoan’ny Paka sahady ary isika izao. Mbola manitra ary manentohento aok’izany anefa ny hanitra navelan’ny fankalazantsika ny Paka tamin’ny Alahady heriny. Toy izany koa, ny hafalian’ny Paka dia mbola re ao anatintsika ao. Ny vakiteny rehetra aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady androany ity dia mbola manoritsoritra izany Paka fandresen’i Kristy izany. Ny Evanjelin’i Masindahy Joany no hasiantsika fifampizarana manokana anio. Raha fintinina fohy ny Evanjely dia mitantara ny nisehoan’i Jesoa indroa miantoana tamin’ny mpianany taorian’ny Fitsanganany ho velona. Hevi-dehibe roa no azontsika tsoahina amin’ny famakiana ny Evanjely. Ny voalohany dia ny firarian’i Jesoa Fiadanana ho an’ireo mpianatra sy ireo mpanara-dia azy ary ny ankohonana kristianina voalohany. Ny hevi-dehibe faharoa kosa dia ny mahakasika ny finoana na dia tsy mahita aza.
“Homba antsika mianakavy anie ny fiadanan’ny Tompo” hoy ny pretra sy ny mpitarika ny fivavahana rehefa hanomboka ny fotoam-pivavahana sy ny lamesa. Tsy hoe anjoanjo na antsonjay izany venti-teny izany fa lova mivantana avy amin’i Kristy. Satria isakin’ny niseho tamin’ny mpianatra i Jesoa taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia izany fiadanana izany mandrakariva no iarahabany ny mpianatra sy ireo izay vory manatrika eo. Ny mpianatra, noho ny tahotran’izy ireo ny mpitondra fivavahana jody izay namono nahafaty an’i Jesoa dia raiki-tahotra mandrakariva. Tebiteby no nameno ny fon’izy ireo satria i Jesoa mpampianatra aza sahin’izy ireo novonoina, ka maika fa ny mpianatra. Hany ka nandry tsy lavo loha ireo mpianatra sy mpanara-dia an’i Kristy ary feno tebiteby sy ahiahy lalandava ny amin’ny ain’izy ireo. Dia izany no antony irarian’i Jesoa fiadanana ho azy ireo; izany no antony iantsoany fahatoniana ho azy ireo. Tamin’ny fisehoany voalohany tamin’ny mpianany dia tsy mba nanatrika teo i Tômà. Fa nony nilazan’ireo mpianatra namany izy dia nilaza fa tsy mino izany fitsangan’ny Tompo izany raha tsy mahita maso ary mahatsapa amin’ny tànany. Ka ny fisehoana faharoa dia mba nanatrika teo izy ary nasain’i Jesoa hitsapa ny tànany nisy ny dian’ny fantsika namatsihana Azy sy ny lavakin’ny lanivoany voalefona. Nilazan’ny Tompo manokana izy fa sambatra satria nahita; saingy sambatra kokoa hoy Izy taminy izay tsy nahita kanefa mino.
Hafatra roa goavana no raisintsika kristianina ankehitriny mamaky sy miaina ny Evanjely amin’ireo hevi-dehibe roa ireo. Ny voalohany dia ny Fiadanana. Ny fanirian’i Kristy lehibe indrindra ho antsika rehetra dia ny mba hananantsika Fiadanana. Tsy zoviana aminao intsony angamba ny fanenjehana ny kristianina na dia amin’izao vanin’andro ankehitriny izao aza. Heno ary hitantsika ombieny ombieny amin’ny fampitam-baovao isan-karazany ny famingavingana ombam-pandatsahan’aina atao amin’ireo kristianina amin’ny faritra sasany. Ho an’ireo kristianina atao vono moka ireo dia miantso fiadanana i Kristy. Fa tsy haka lavitra isika fa na izaho na ianao io eo amin’ny fiainantsika andavanandro dia iharan’ny tsindrihazolena ihany koa rehefa mijoro amin’ny maha Kristianina. Impiry isika no zehena maso sy atao ankilabao satria kristianina. Ho ahy, ho anao io, dia miantso fiadanana i Kristy mba ho maivana ny alahelontsika ary ho lefy ny tebitebintsika. Fa ankoatr’izany koa, dia malain-kino isika amin’ny fahasoavan’ny Tompo. Miandry zavatra hita maso isika matetika vao mino ny fandresen’i Kristy ny ratsy. Malain-kino isika indraindray raha tsy mahita fahagagana. Dia izany indrindra no ilazan’i Kristy amintsika rehetra mba hino Azy ho Mpandresy na dia tsy mahita maso Azy aza. Miasa mangina ny Tompo hampandresy antsika ihany koa amin’ny ady amin’ny ratsy atrehintsika isan’andro. Minoa fotsiny ihany.
Mirary alahady finaritra
Mompera Nary