Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo

Alahady Sampan-kazo Taona A

Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo” (Mt 21, 1-11)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Voalohany indrindra aloha dia miarahaba antsika rehetra tratran’izao andron’ny Sampakazo izao; efa manimanitra Paka sahady ny volon-danitra ary efa mamerovero Fandresena sahady ny lokon’ny tany sy ny manodidina. Ankalazaintsika ao amin’ny Fiangonana manontolo androany i Kristy hobiana an-kafaliana ho Mesia sy Mpanjaka. Tsy zoviana aminao intsony ny fomba fanatontosana izany fankalazana; tsy inona tsy akory fa isika rehefa mitondra sampan’oliva sy sampahom-palma ary manofahofa izany ho fihobiana Ilay Mesia mitondra am-boninahitra ao an-tanàna. Ny lafin-javatra faharoa mampiavaka ity andro anio ity ihany koa dia ny famerenana amintsika ny Tantaran’ny nijalian’i Tompo. ho tsikaritrao ary henonao fa vakiana amintsika manontolo ny tantaran’i Tompo, manomboka teo amin’ny nanirahany ny mpianatra hanomana ny Paka mandra-pialan’ny fofonainy. Tsy ho ampy hivalamparantsika hidirana amin’ny antsipiriany amin’ireo hetsika fankalzana roa lehibe ireo ity pejy tokana ity, fa ny harosoko ho anao androany dia ny fanazavana fohy fa hentitra momba ireo toe-javatra ankalazaina androany ireo dia ny Fihobiana sy Fijaliana, manoloana ny fiainantsika andavanandro tarafina amin’ny Làlana nodiavin’i Kristy.

Rehefa niditra tao an-tanàn’ny Jerosalema i Kristy dia nirohotra tamy nitsena azy ny vahoaka. Nitondra sampan-dravin’oliva sy palma izy ireo ary nanohafoha izany ho fihobiana ilay Mpanavotra miditra ny tanàna. Ny sasany kosa namelatra ny lambany sy ny fitafiany teo amin’ny lalàna nodiavin’ny zanak’apondra nitaingenany. Teo amin’ny fomba Jody dia izany no mari-piderana ankalazana izay mpandresy an’ady sy olo-mendrika miditra ny tanàna. Tsy hoe i Jesoa no nangataka hatao an’izany fa ireo olona nahita ny soa nataony sy ny fahagagana maro notontosainy no tonga saina ka velom-piderana Azy. Rariny sy hitsiny izany satria firifiry moa ny olona nositraniny, firifiry moa ireo olona navotany tamin’ny ratsy nangeja azy. Rariny raha hankasitraka Azy izy ireo. Fa saingy kosa misy andian’olona tsy nahazaka an’izany. Tsy iza akory izany fa ireo olona very laza sy very tombotsoa amin’ny fisondrotan’ny lazan’ity Mesia vaovao ity. Ka ireo olona ireo dia manao izay fomba rehetra handavoana ireo tsy manantsiny. Fa dia toy izany koa eo amin’ny andavanandrom-piainanao io ary tsara ho fantatrao izany. Aza gaga raha mifaly sy mankasitraka anao ny olona manodidina anao satria nahavita zava-tsoa sy mendrika ho an’ny fiaraha-monina ianao. Rariny sy hitsiny raha toa ka tonga midodododo mankasitraka anao ny mpiara-monina aminao satria zava-dehibe ny nataonao. Kanefa, ary ity no aza hadino, any ho any misy olona tsy hahazaka izany zava-misy izany. Ataovy an-tsaina fa any ho any misy olona tsy maty voalavo an-kibo ary tsy mahalevona izany fankasitrahan’ny olona anao izany noho ny fialonana sy ny fiadiana tombotsoa. Dia hataony izay hahatafitohina anao.

Ny lafin-javatra faharoa kosa dia ny Fijaliana nandalovan’i Kristy taorian’ny fankalazana Azy. Toy izany koa ny fiainanao. Ireo olona tsy maty voalavo an-kibo ireo dia hanao izay fomba rehetra handavoana sy handratrana anao. Dia hipoitra ny antsanga tsy aman’orana rehetra amin’ny fiampangana isan-karazany. Harary ny fonao, hitomany ianao ary higogogo. Ho irery ianao ary hahatsiaro ho resy sy toy ny maty. Fa izao no tsiahivo sy tadidio: io lalàna nodiavinao io dia efa nolalovan’i Tompo ary efa resiny io adinao io. Koa ankino aminy ny adinao ary atolory azy ny Hazofijalianao ho lanjainy. Dia hahazo hery ianao ary handresy miaraka Aminy amin’ny ady atrehinao noho ny fialonana sy ny hetraketrakin’ny very tombotsoa sy laza tamin’ny soa sy tsara nataonao.

Mirary alahady finaritra ary mirary herinandro Masina feno Finoana ho anao

Mompera Nary

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236