“Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”
(Jn 3, 16-18)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Andriamanitra, Fitiavana Ianao
Ka mihevitra ny momba anay ety
Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka am-bavanay ny hoe
Ampy ho anay ny Fahasoavanao…”
Ataoko fa tsy zoviana aminao intsony izany vavaka an-kira feno fiderana sy fankasitrahana ny Tompo Andriamanitra Andriananahary izany. Tiako hitarihana ny fifampizarana aminao amin’ity andro androany ankalazana ny Trinite Masina ity izany tononkira mihoby ny halehiben’ny Fitiavan’Andriamanitra izany. Eny tokoa, ny Fiangonantsika dia mankalaza ity Alahady manaraka ny Pantekôty ity ho Fankalazana manokana ny Trinite Masina; ilay Tokana nefa olona telo dia ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho sakafom-panahintsika amin’ity Alahady ity dia miompana manokana amin’ny fanehoana antsika ny halehiben’izany Fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona izany. Raha fintinina fohy ny Evanjely dia izao no azo amondronana ny fampianarana ho antsika. Tia antsika Olombelona Andriamanitra. Ho marik’izany Fitiavany izany dia nomeny ny Zanany lahitokana mba ho antoka hahazahoan’ny tsirairay ny Fiainana mandrakizay. Tsy sitrapon’Andriamanitra ny hitsara sy hanameloka antsika. Ny antoka hahazahoantsika izany famonjena tsy misy fitsarana na fanahavana izany dia ny finoanantsika an’i Kristy ihany.
Arakan’ny tonom-bavaka an-kira efa natsidiko etsy ambony, ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra Raintsika dia Izy Fitiavana. Fitiavana Andriamanitra ary izay maha-Fitiavana Azy izay no mamintina manontolo ny endrikany. Tsy fahavalo na Mpitsara masiaka na Mpamono olona Andriamanitra. Fitiavana Izy; izay no maha-Izy Azy. Tsy Andriamanitra mpanavakavaka ny Andriamanitsika fa Andriamanitran’ny rehetra ary Tia ny olon-drehetra; tsy ny olona manao ny tsara ihany fa ny mpanao ratsy koa aza satria samy omeny zo higoka ny Fitiavany ny tsirairay. Tia antsika olombelona tsy misy avakavaka Izy ary tsy asiany saranga isika ao Aminy fa Fitiavana iray ihany no itiavany antsika. Ny marika lehibe indrindra nanaporofoany amintsika ny Fitiavany dia ny nanomezany ny Zanany lahitokana no antoka hahazahoantsika mandray anjara amin’ny maha-zanaka feno ao Aminy. Mety halaim-panahy isika hieritreritra fa mpanao soron’anaka Andriamanitra nanome ny Zanany tiany ho lafika hitoerantsika ao amin’ny Famonjena. Tsy maninona; fohy fisainana isika ka izany no mety ho takatrantsika amin’izay vinavinan’Andriamanitra amin’ny tantaram-pamonjena antsika. Sanatria dia sanatria raha hoe ho fanamelohana no nanomezan’Andriamanitra ny Zanany ho antsika; fa famonjena sy fanafahana aza. Noho ny Zanany maty fa nitsangan-ko velona dia manana antoka isika fa efa voasokatra ho antsika ny lanitra anjara lovantsika avy amin’Andriamanitra Fitiavana. Na izany na tsy izany, ny Fanjakan’Andriamanitra kosa anefa tsy hoe Fidirana gorobaka fa mitaky ezaka avy amintsika ihany koa. Ny antoka tokana hidirana amin’io Fanjakan’ny lanitra io ka higohantsika feno ny Fitiavan’Andriamanitra dia ny Finoana. Ny Finoana an’i Kristy Zanak’Andriamanitra ho Mpamonjy sy Mpanavotra no sandam-pidirana hahazahoantsika ny lanitra mandrakizay. Alao hery àry; hamafiso ny Finoana ary aza manaiky ho sia eny an-dàlana.
Mirary Alahady Finaritra
Mompera Nary