Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny Anarako

Alahady faha 23 tsotra mandavan-taona

Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny Anarako, dia eo afovoany Aho” (Mt 18, 15-20)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Asa raha tsaroanao moa i Jesoa niteny hoe: “Fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona” (Lk 19, 10)? Ny Vakiteny rehetra henointsika androany ary dia mamaka sy mifototra amin’izany hevi-dalina voizin’i Kristy sy nivelomany izany. Averiko ihany, tsy hoe hanangana sekta arakan’ny fomba fiteny ankehitriny na koa hoe hanakorontana firenena no tanjon’i Kristy fa ny hamonjy ny very rehetra na iza na iza, tsy mifidy saranga na fiaviana na volon-koditra. Tsy dia ny hoe moa hamakafaka an’izay maha “Mesia sy Mpamonjy” an’i Kritsy izay loatra no hifampizarantsika eto androany fa saingy atsidika izay maha Mpamonjy Azy izay satria mifototra amin’izay avokoa ny fampianaran’ny Evanjely ary ny Soratra Masina rehetra, na ny Taloha na ny Vaovao. Faharoa manaraka izany, dieny ety am-piandohana ihany koa dia lazaiko mazava fa tsy hoe i Kristy mihitsy no nilaza ireo Teny sy hafatra ao amin’io ampahan’Evanjely vakiana amintsika androany io; fa nindramin’i Evanjelisitra Matio i Kristy mba hitonona an’ireo teny ireo mba hampanan-kery ny hafatra tiany hampitaina. Ity andalan-tsoratra Masina Evanjely vakiana amintsika androany ity dia teny miantefa ary hafatra mafonja dia mafonja ho an’ireo Kristianina tany am-piandohana. Amin’ny maha Apostoly sy mpiandry ondry an’i Masindahy Matio dia nanana adidy goavana izy tamin’ny fiahiana ny andian’ondriny na ny ankohonam-pinoana nankinina taminy sy niantsorohany. Dia manoratra ho an’ireo zanany am-panahy ireo ny Evanjelisitra no manafatrafatra azy ireo mafy amin’ireo teny ao amin’ny Evanjely ireo. Hafatra roa lehibe no ampitainy amin’ireo zanakin’ny ankohonam-pinoana iadidiany ireo; ary tsy ho azy ireo tamin’izany andro izany ihany, fa ho ahy, ho anao ary ho antsika rehetra ankehitriny koa.

Raha fintinina ny Evanjely, ny hafatra voalohany dia mahakasika ny fifampitondrana ara-pirahalahiana eo amin’ny samy kristianina manoloana ny fahadisoana na ny tsy fahatomombanana ara-pitondran-tena. Manafatra mafy i Masindahy Matio Mpiandry Ondry fa “raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rahefa mitokana hianareo, dia asehoy azy ny hadisoany”. Izany no fomba fifampitondrana mendrika eo amin’ny samy kristianina rehetra. Raha misy manana hadisoana, dia tsy fosaina izy na tantaraina amin’ny olon-kafa rehetra eran’ny tampon-tanety ny hadisoany. Ny tena kristianina dia manatona an’ilay olona manana hadisoana, dia miresaka aminy am-panentren-tena sy am-pahatoniana ary entanin’ny fitiava-namana; dia mamboraka aminy eo izay tsy maha mety ny ataony. Amin’izay fotoana izay ihany koa manko dia mety ho fantatra ny antony nanaovany ilay fihetsika tsy mety arakin’ny fiheveran’ny besinimaro; satria amin’ny ohabolan-drazantsika hoe: “Vy tsy mikitrana irery” ary “vorom-be hono matin’inona, avadibadiho fa ao feriny”. Ka hahalalàna ny antony mazava dia tsara ny mifampiresaka mivantana, ka sady afaka mananatra ny diso amin’izay no ihany koa mahalala ny antony. Ny hafatra faharoa kosa dia mahakasika ny fiombonam-bavaka. “Fa na aiza na aiza iangonan'ny olona roa na telo amin'ny Anarako, dia eo afovoany Aho”. Mitondra zana-kevim-pampianarana roa io tenin’i Kristy io. Voalohany: tsara ny manao vavaka samirery, fa tsaratsara kokoa noho izany, raha afaka manao an’izany, ny miaraka mivavaka amin’ny mpiray finoana. Faharoa: izay rehetra angatahan’ny mpiaraka mivavaka amin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo dia hovalian’Andriamanitra izany. Miantefa amintsika rehetra izany teny izany: anarina ny rahalahy raha misy hadisoany, ary alohan’ny hananatra azy dia miaraka mivavaka amin’ny Tompo aza aloha fa Izy no hanilo sy hanazava ny saina.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0618