Aza matahotra ianareo

Alahady tsotra faha 12 - Taona A

Aza matahotra ianareo” (Mt 10, 26-33)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Mialohan’ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra amintsika dia sitrako ary teliko indrindra ny miarahaba sy mirary soa antsika Malagasy iray rà amiko tratran’izao tsingerin-taona faha-57 nahazahoantsika ny Fahaleovantena izao. Masina ny Tanindrazana ary Masina ny Firenena; hitombo hasina tahaka an’izany koa anie ny mpiray tanindrazana Malagasy tsy vakivolo ary hahery toe-po sy toe-taina hiatrika ny andavanandrom-piainana. Mandalo fotoan-tsarotra ny Firenena Malagasy; latsaka an-katerena i Madagasikara ary fadiranovana aok’izany ny sarambabem-bahoaka. Anisan’ny mampijaly ny vahoaka fatratra ny tsy fandriam-pahalemana. Tsy hitanisa ny fahorian’ny olona aho fa mahavaky fo izany ary maha-te hitroatra. Tsy vahaolana ny manome tsiny andranona na i ranona. Andraikitrin’ny tsirairay ny manao izay ho vitany amin’ny fanarenana ny Firenena. Sarotra ary betsaka ny sakana satria tsy vitan’ny hoe ny hiady amin’ny fahantrana fotsiny fa tena hifanatrika amin’ireo vaventy mpitsetsitra ny madinika sy mpanao kely tsy mba mamindro.

Ny Kristianina tsirairay dia manana adidy ary lolohavan’andraikitra hanasoa ny Tanindrazany sy ny Fireneny. Manana adidy aho hikatsaka izay mahasoa ny mpiray tanindrazana amiko satria izany no maha-kristianina ahy, ary ianao koa dia manana andraikitra hikendry ny soa iombonana amin’ny mpiray tanindrazana aminao satria izany no soatoavina antsoin’ny Evanjely ho fiainana kristianina. Ny hafatra fototra torin’ny Evanjely dia tsy inona akory fa hoe misy ny Lanitra ary atomboka dieny ety an-tany izany Lanitra izany. Ny Vaovao Mahafalin’i Kritsy dia mampianatra antsika fa voaantson’Andriamanitra Ray hiombona anjara Aminy isika rehetra ary izany fiombonana izany dia atomboka amin’ny fanatsarana sahady ny fiainana ankehitriny. Noho izany, ny fikatsahana izay hahasoa ny fiainana ankehitriny, mitodika amin’izay hahatsara ny mpira-belona rehetra dia tena fiainana kristianina tanteraka. Ny fikatsahana ny soa iombonana dia tena Vaovao Mahafaly mihitsy. Ary lazaiko mazava aza fa ny tena Kristianina dia tsy hoe akory izay mahavita toko sapile 500 isan’andro tsy akory fa izay mahay mahavita toko sapile 100 eo am-panaovana ny adidiny ho an’ny mpiara-belona aminy. Izany no Evanjely. Izany no Vaovao Mahafaly. Ary adidiko hoy aho teo, andraikitrao ihany koa raha mbola kristianina ihany isika.

Ny zavatra mitranga matetika anefa dia tsy sahy mijoro amin’ny Finoana aho ary mihalangalana amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny antony dia tsotra: tsy raisiko ho teny Finoana ny hafatr’i Kritsy milaza amiko hoe “aza matahotra”. Io tenin’i Kritsy nankaherezany ny Apostoly io dia ho antsika kristianina rehetra ihany koa, teny fankaherezana antsika tsirairay ho sahy handray ny andraikitra amin’ny maha kritsianina antsika. Mankahery antsika i Kritsy tsy hatahotra ny handray andraikitra hikatsaka ny soa iombonana amin’ny fandavorariana ny fiaraha-monina. Mankahery antsika Izy fa tsy hiady irery isika amin’ny tolona handresena ny asa ratsy sy ny tsy fahombiazana eo amin’ny fiaraha-monina; fa ho sahy ary hijoro hatramin’ny farany hiaro ny soa iombonana. Mamy manko ny aina nefa koa sarobidy eo imason’ny Tompo isika rehetra. Tsy ho vitan’ny Tompo ny hanao tazan-davitra antsika zanany miady sy mitolona ho an’ny rariny hanasoavana ny mpiray tanindrazana; efa Teniny izany ary efa nampanantenainy. Koa alao hery ary, herezo ny saina sy ny fo fa tsy irery isika fa eo ny Tompo hiatrika ny ady miaraka amintsika. Sarobidy eo imason’Andriamanitra isika rehetra.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1078