Alahady Tsotra Faha 8 - Taona A
“Aza manahy ianareo” (Mt 6, 24-34)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
In-telo miantoana be izao i Kristy eto amin’ity andalan-tsoratra masina ity no milaza hoe “Aza manahy”. Ny olona “manahy” dia olona manana eritreritra be momba ana zavatra anakiray. Manahy aho sao tsy ho avy ianao; izany hoe manana eritreritra be aho sao tsy hoavy ianao. Manahy ianao sao tsy hisakafo rahampitso; izany hoe manana eritreritra be ianao sao tsy hisakafo rahampitso. Amin’ny ankapobeny, ny fanahiana dia asa saina feno tebiteby miharo tsy fahatokisana ny amin’ny hoavy rahampitso sy ny andro manaraka. Raha fintinina fohy izany io famaritana io, ny “manahy” dia fihetsik’olombelona be eritreritra loatra miharo fihetseham-po tsy matoky.
Ny fanahiana voalohany indrindra izay anafatrafaran’i Jesoa antsika Kristianina dia ny fanahiana momba izay ho hanina sy hotafiana. “Aza manahy foana ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo” hoy Izy. Raha amin’ny fo tsy miangatra aloha no itsarana an’io fampianaran’i Kristy io dia tahaka ny olona mila voatsiary. Ahoana kosa moa no tsy hanahiako izay hohaniko anio hariva? Dia iza no hanome akanjo hitafiako raha tsy izaho no mba miketrika izay hahitako fitafiana? Fanontaniana maro no mety ho valin’io tenin’i Kristy io. Dia izao no izy: rariny sy hitsiny, amin’ny maha olombelona antsika raha hanontany an’izany isika. Fa ny tian’i Kristy hahatongavana amin’io teniny io dia tsy hoe sanatria akory te-handrangitra sy hanohitohina anao fotsiny fa hanohatohana anao mihitsy aza. Te-hilaza amiko i Kristy mba tsy de ho be fanahiana ny amin’izay ho haniko sy hitafiako; ary indrindra indrindra, te-hilaza amiko Izy fa, eo anatrehan’Andriamanitra, eo amin’ny samy zava-boahary, dia izaho, olombelona no zava-boahary ambony sy sarobidy indrindra ary manana sanda mihoatra noho ny zava-boahary rehetra. Tsy ny ho hanina sy ny ho tafiana no teny fototra amin’ilay fanahiana tian’i Kristy ho lazaina amintsika fa ny amin’ny maha sarobidy antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Sarobidy hoazy aho ka tsy ho hainy ny hijery ahy fotsiny amin’izao raha sendra ao anaty filana hitany fa mahasoa ahy aho.
Ny fanahiana faharoa anafatrafaran’ny Kristy ahy, anafarany anao, dia ny momba ny rahampitso: “Ary aza manahy ny ho ampitso hianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy”. Matetika tokoa aho de lasa saina ny amin’izay hanjo ahy rahampitso; ary fantako ihany koa fa na ianao aza dia mba lasa eritreritra ny amin’izay ho diavinao rahampitso. Rehefa lasa vinany toy izany eo aho dia miferotr’aina sy mahia am-pitoerana; zara fa velom-bolo ary na ny tsiky amin’ny tavako aza dia lasa mahalana dia mahalana. Tsy very dia aho ary ny hasambarako sy ny hafaliako mandao ahy. Eto àry, ny filazan’i Jesoa amiko mba tsy hanahy ny amin’ny rahampitso dia fanohatohanany ahy tsy ho rendrikin’ny adin-tsaina lasa lavitra loatra, no sady fanamafisany an’ilay mahasarobidy ahy eo anatrehan’Andriamanitra. Satria mbola hamafisiny hatrany fa Andriamanitra mihitsy no hitsinjo ny ampitsoko.
Raha fintinina ary dia izao: tsy hoe sanatria i Kristy manosika antsika hidonànam-poana sy hitanin’andro fotsiny ka tsy handray ravin-dena hiasa sy hamelon-tena raha milaza hoe “aza manahy”. Fa ny “aza manahy” tiany ho lazaina dia fanandratana antsika olombelona ho zava-boahary ambony indrindra raha amin’ny samy zava-boahary. Ny “aza manahy” tiany hampitaina amintsika dia ny hametrahantsika fitokiana amin’Andriamanitra ny amin’izay hitondrany sy hitantanany antsika tsirairay. Andriamanitra no tompon’ny hoavy koa apetraho eo am-pelatanany ny hoavy irinao. Zay!
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary