Avelao hiara-maniry izy roa

Alahady tsotra faha 16 mandavan-taona - Taona A

Avelao hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fijinjana.

(Mt 13, 24-43)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Mbola manohy ilay fampianarana tamin’ny heriny amin’ny alalan’ny fanoharana i Kristy androany. Misy fanoharana telo zary roa ao amin’io andalan-tsoratra Masin’ny Evanjely vakiana amintsika androany io. Tsy ho ampy hifampizarantsika amin’ny antsipiriany manontolo ireo fanoharana ireo raha ity pejy tokana ity fa ny harosoko amintsika androany dia famintinana ny tian’ny fanoharana ho lazaina ary ny fampianaram-pinoana tian’i Kristy hampitaina amintsika. Averiko ihany, fifampizarana hoy aho izy ity fa tsy hoe Fahamarinana akory.

Resaka fambolena ilay raha. Nisy lehilahy anakiray namboly vary teo an-tanimbariny. Gaga ireo mpanao tsarakatsaha nahita fa toa betsaka tsiparifary eny anivom-bary nefa dia mba efa masomboly voafantina ity nambolena. Tsy nahandry ireto mpiasa ka nanolo-tena mba hanongotra ny tsiparifary. Saingy tsotra ny valintenin’ny tompon-tany: avelao hiaraka eo fa rehefa mijinja vao avahana ny tsiparifary sy ny vary. Oha-piainana anankiroa no andeha hanazavantsika ity fanoharana ity. Ny voalohany dia ny fiainako, ny fiainanao, ny fiainan’ny tsirairay. Ny ohatra faharoa kosa dia mahakasika ny fiainam-piangonana. Mazava dia mazava ny fivaofan’i Jesoa ny Fampianarany: ny Mpamafy dia Izy Tompo, ny tanimbary dia ny fiainako, ny fiainanao, ny fiainan’ny tsirairay; ny mpigafy namafy ny tsiparifary dia ny devoly, ny tsiparifary dia ny haratsian-toetrako ary ny mpanao tsarakatsaha na isan’andro dia ny Anjely. Mazava vokatr’izany fa ny lazaina eto dia ny fiainantsika manontolo ary ny fiainantsika tsirairay. Samy manana ny halementsika isika, samy manana ny tsy fahatomombanany ara-panahy ny tsirairay. Ireny rehetra ireny no tsiparifary eo amin’ny fiainantsika. Nefa na izany aza dia tsy maika mihitsy ny Tompo hijinja ny aintsika fa manana faharetana Izy ary miandry ny fotoana maha masaka antsika ara-panahy. Amin’izay fotoana izay no hanavahany ny ratsy amintsika ary handiovany antsika tanteraka hiditra ao antsopitra dia ny lanitra anjaralovantsika rehefa rahatrizay isika miala eto amin’ity tany fandalovana ity.

Fa ny azo andraisana ho taratra ity fanoharana momba ny tanimbary misy tsiparifary ity ihany koa, eo amin’ny Fiaraha-monina misy antsika dia ny fiainan’ny fiangonana hoy aho tetsy ambony. Na tiana moa na tsy tiana dia taratra eo anivon’ny fiaraha-monina mandrakariva ny olona vonona hanakorontana sy hitarika fisaraham-bazana ary hanotohoto ny rafitra sy ny rindram-piaraha-monina efa misy. Toy izany koa, eo anivon’ny fiangonantsika dia misy olona vonona hamafy fanakorontana mandrakariva. Tsy hoe sanatria mitsara azy akory aho eto fa milaza ny zava-misy ihany. Mahita ny haratsiam-panahy sy ny faniriany hanakorontana ny fiangonana dia alaim-panahy indraindray hiteny amin’ny Tompo hoe : “fa maninona io olona io no mbola eto anivonay? Ny Fiainana efa mahamay dia tonga ato am-Piangonana koa mbola misy olona mahamay”. Fa ny mahagaga dia arakarakin’ny ananana faniriana mba haha “voajinja” an’ilay olona no toa vao maika koa aza hita matetika ary vao maika mizahozaho eo anivon’ny fiangonana mihitsy ilay olona. Zava-misy izany ary tsy azo odiana tsy hita. Dia miaraka mahatsiahy isika ity fanoharan’i Kristy ity hoe “Avelao hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fijinjana”. Ary tsy izany ihany fa “Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andriko ihany”

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1003