Alahady tsotra faha 28 mandavantaona - Taona A
“Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo” (Mt 22, 1-14)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Na ny Vakiteny henointsika amin’ity alahady ity ihany koa dia mbola manohy ny lohahevitra lehibe izay efa norenesintsika teto tamin’ny alahady heriny sy ny talohan’izay aza; tsy inona akory fa momba ny Fanjakan’ny lanitra. Fanontaniana mipetraka hatrany moa rehefa mba mandinika samy irery ny fiainam-pinoana, na ihany koa rehefa mba samy tafahaona ka soloaka any amin’ny lafiny ara-pinoana ny adihevitra sy ny fifanakalozan-kevitra, dia mifanatsafa hoe mba manao ahoana loatra ny mety ho endrik’izany Fanjakan’ny lanitra izany. Ny vakiteny renesintsika androany hoy aho dia manoritsoritra ny momba izany; marina fa fanoharana no ilazany azy fa na izany aza dia ampy hahatakarana azy.
“Vorom-be hono matin’inona? Avadibadiho fa ao feriny”. Ny valinteny voalohany milaza ny mety ho endrikin’ny Fanjakan’ny lanitra dia hitantsika ao amin’ny bokin’Izaia Mpaminany; izay vakiteny voalohany rahateo sady amin’ity Alahady androany ity. Betsaka moa ny amaritany azy ao fa raha fintinina dia hoe: tahaka ny Fanasam-be ny Fanjakan’ny lanitra; fanasam-be ifaliana sy iravoana. Andriamanitra mihitsy no mirotsaka mahandro sy miketrika izany fanasam-be izany. Tsy mifidy saranga na firazanana ny Fanjakan’ny lanitra fa ny rehetra mihitsy no voaantso handray anjara amin’izany. Ny Fanjakan’ny lanitra dia fanjakan’ny fiadanana sy hafaliana; any tsy mba misy ranomaso na alahelo fa fahavelomana mandrakizay. Marina fa ny rehetra no antsoina hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, fa saingy kosa izay rehetra matoky sy mino an’Iaveh ihany no afaka miditra sy migoka izany hasambarana tsy hita noanoa ary tsy taka-pesipesenina izany. Ny valinteny faharoa moa, mazava hoazy fa ny atolotrin’ny Evanjelin’i Masindahy Matio ary vakiana amintsika androany alahady ity. Tsy dia mifanalavitra amin’ny filazan’Izaia Mpaminany azy ny famaritana ny Fanjakan’ny Lanitra nataon’ny Evanjelisitra fa noraisiny ihany koa io kisary momba ny Fanasana sy Fety be io. Ny hany nanampian’ny Evanjelisitra azy dia ny filazany fa ilay fanasam-be dia tsy inona akory fa fankalazana ny fanambadian-janakin’ny tompo-pety. Mazava hoazy, ny Tompon’ny Fanasana dia tsy iza akory fa Andriamanitra ary ny zanany hanao ilay Fampakaram-bady dia i Kristy. Misy ihany olona mba notsongaina manokana mba handray anjara amin’ilay fanasana, fa ireo olona ireo tsy nazoto hany ka nitodi-doha hanasa ny olona rehetra ny tompo-pety. Ny tiany hambara dia mazava: isika rehetra dia voaantso handray anjara amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Fa na izany na tsy izany dia misy kosa fepetra takiana amin’izany mba tsy hiavian’ilay tenin’ny zatovo ankehitriny hoe “miditra bôjo”. Ny fenitra arahina hahafahantsika mihinana am-pilaminana amin’ilay Fanasana dia ny fanaovana ny akanjo mifanaraka amin’izany fanasana izany. Ny akanjo tiana holazaina eto dia tsy ny fitafiana loatra akory fa ny “toe-po” vonona hiova amin’ny fanao andavanandro. Ny “fiovana” no ilaina hahafahana mandray anjara amin’ny Fanasan’ny Tompo; ny “fibebahana” amin’izay fanao isan’andro no akanjo hitafiana.
Dieny ankehitriny dia efa santarina izany Fanasan-dehibe izany amin’ny alalan’ny Eokaristia. Ny Eokaristia no sakafom-panasana aroson’ny Ray ho antsika rehetra dieny izao hisantarana izany Fanasana lehibe any an-danitra izany. Manomboka ety an-tany ny Fanasana ataon’ny Ray antsika rehetra. Ny akanjo fitondra amin’izany dia tsy inona akory fa ny fontsika madio sy mendrika hiombona anjara amin’izany Sakafo lehibe sady Masina aroson’Andriamanitra ho antsika rehetra izany. Tsy mila manao bôgôsy, tsy mila akanjo mamiratra sy raitra vao afaka mandray anjara amin’ny Komonio fa ny Fo sy Fanahy no aoka hadio sy voakolokolo.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary