Alahady Fiaviana faharoa - Taona B
“Injay misy feo miantso any an-efitra hoe:
Amboary ny làlan'ny Tompo, ahitsio ny alehany” (Mk 1, 1-8)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Vatokely antsisin-dàlana, tsy miandry anao hitodika fa miantso anao hitandrina famindra” ny antsoantson’i Joany Mpanao Batemy. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoan’ny Fiaviana tanteraka isika izao; Fiaviana natao hiomanana Fo sy Fanahy handray ny Fahatongavan’i Mesia. Arakin’ny efa nolazaiko tamin’ny heriny, tsy hoe fotoana andrasana ho “rahampitso” ny fiavian’i Kristy fa ny andavanandrom-piainantsika mihitsy no iandrasana Azy, ny minitra sy ny orantsika isan’andro no iambenana ny Fahatongavany.
Ity am-pahan’Evanjely vakiantsika amin’ity alahady faharoa amin’ity Fiaviana ity dia ny fanombohan’i Evanjely nosoratan’i Masindahy Marka ary ho vakiantsika matetika mandritra ity taona ity izany Evanjely izany. Raha tsikaritrao dia misy olona roa voatona ao amin’izany fanombohana ny Evanjely izany: Elia sy Joany Batista. Mpaminany lehibe eo amin’ny Zanak’Israely i Elia; tsy ho an’ny vahoaka hebrio ihany fa momba ny tantaram-pamonjena mihitsy. Olon’ny “Antso ho an’ny fibebahana” i Elia ary mpaminany tsy nitandro teny raha mbola resaka fibebahana sy fampodiana ny vahoaka ho amin’ny Làlan’ny Tompo ihany. Olona sahy, olona tsy mataho-masomena amin’ny famakiana batsilana ny ratsy eo amin’ny fifampitondrana samy olona sy eo amin’ny fifandraisana amin’Iaveh. Manjohy sy mandray ho lova vaventy amin’izany fahasahiana sy fahafoizan-tena lehibe izany i Md Marka no mampifandray ny ataon’ilay “Feo any an’efitra” miantso fibebahana ho an’ireo olona amin’ny vanim-potoanany. Dia tonga tokoa i Joany Batista; miantso avy any an’efitra ireo olona nanalavitra ny Tompo mba hiverina indray amin’ny Làla-mahitsy ary nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka. Hevitra roa no andeha ho raisintika amin’izany sarin-teny izany: ny tany efitra tiana ho lazaina dia ny fontsika ary ilay miantso fibebahana dia tsy Joany Batista tamin’izany fotoana izany intsony fa ny feon’ny fieritreretana.
Ny tany efitra, ho antsika ankehitriny izao dia tsy ilay dezera novakivakian’ny vahoaka jody fony izy ireo niala avy tany Ejipta; tsy izany intsony fa “efa lasa ny zavatra rehetra ary indro tonga ny zava-baovao”. Ny tany efitra ho ahy, ho anao, ho antsika rehetra ankehitriny dia ny foko, ny fonao ary ny fontsika tsirairay. Jereo fotsiny ny zava-misy ankehitriny dia ho tsapanao fa karakaina Finoana sy maina Fanantenana ny tontolo iainana misy antsika. Ankatokin’ny Noely isika izao ary samy miheninkenina ny rehetra ho amin’izany fankalazana izany. Nefa rehefa tena jerena akaiky dia tsapa fa banga Finoana ny fiomanana amin’izany fankalazana izany fa “tsena sy varotra ary fandaniana ara-toekarena” no tena bobaka amin’ilay fiomanana: varoboba noely atsy, tsenabe noely eroa. Voatentina firavaka sy voaravaka haingon-tanàna izay lalovana rehetra fa saingy mahantra antso ho amin’ny fibebahana ary tsy hita taratra akory ny maha Finoana ireo hevohevo maro isan-karazany ireo; karakaina Finoana ary mahantra Fanantenana. Ny Fo sy ny Fanahy no toerana tsy maintsy omanina voalohany amin’ny Fandraisana ny Mesia. Tsy hiandry an’i Joany Batista hiantso any efitra intsony isika fa efa eo ny feon’ny fieriretana hanampy antsika hanitsy ny tsy mety. Tsy mamitaka ny feon’ny fieritreretana fa milaza ny marina mandrakariva. Izy, omban’ny fanilovan’ny Fanahy Masina, Fanahy Masina izay efa noraisintsika tamin’ny Batemy, no hanoro làlana antsika hiverina amin’ny Tompo sy hanova famindra mba ho mendrika handray ny fahatongavany. Koa alao hery àry, henoy ny fonao miantso, reneso ny fanahinao miteny aminao hiverina amin’ny Tompo dia ho tsapanao fa ny fiovana dia avy aminao ihany no antony ary ianao ihany no higoka ny soa amin’izany.
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary