“Aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra” (Mt 22, 15-22)
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
“Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.” Izany ohabolan’ny razantsika izany no hanombohako ny fifampizarana amintsika rehetra indray ary androany. Ataoko fa mifanandrify tanteraka amin’ny fampianaran’i Kritsy ho antsika amin’ny Evanjely henoina amin’ity Alahady androany ity izany Fahendrena Malagasy izany. Sahiko ny mirehareha ny amin’ny fahendren’ny razantsika malagasy fa na dia tsy mbola nahalala ny finoana kristianina akory aza izy ireo, tamin’izany andro izany, dia efa nanana soatoavina ambony dia ambony mahakasika ny olombelona sy ny Zanahary. Tsy nahalala an’i Kristy izy ireo fa saingy kosa efa tao amin’izy ireo ny fahalalàna an’ilay Zanahary antampon’ny loha, nahary ny tontolo ary nametraka ny olombelona ho eo anivony. Fa saingy tsy monina hoazy fotsiny ireo olombelona ireo fa manana adidy eo amin’izy samy izy ary manana andraikitra amin’ny fikolokoloana ny zava-boahary. Tari-kevitra ihany izany hahazahoantsika ny tian’i Kristy ihany koa amin’ity Evanjely ity hoy aho teo.
Tamin’ny andron’ny Kristy, ny Jody dia vahoaka voagejan’ny Romanina ary nasain’izy ireo nandoa hetra hoazy mba ho marikin’ny fanekena fa voageja sy voafehy. Mazava loatra fa betsaka ny tsy nankasitraka izany ireo vahoaka jody ireo; ary na izaho tsy izy ireo kosa aloha dia mba maharary ihany izany hoe “tsy rony, tsy ventiny” dia handoa hetra hoana firenena hafa ianao ary firenena hafa no hilaza ho tompon’ny tanindrazanao. Fa saingy izany no zava-nisy tamin’izany ary nekena ho rafitra mety tamin’izany fotoana izany. Teo anatrehan’izany fandàvana fandoavan-ketra ho an’i romanina izany indrindra no nitondran’ny sasany fanontaniana tamin’i Jesoa; tsy dia hoe moa fanontaniana fotsiny fa tena vela-pandrika maningotra aina mihitsy e. Ny olona mankasitraka ary mamporisika ny fandoavan-ketra ho an’ny mpanjanaka dia midika fa mankasitraka ny mpanjana-tany ary tsy tia tanindrazana tsotra izao fa toy ny mivarotra ny firenen’ny tena ho an’ny hafa; ary rehefa manohitra sy mandà ny fandoavana hetra ihany koa anefa dia midika fa mitsangana ho fahavalon’ny Sezara sy ny romanina mihitsy. Noho izany, na ny fankasitrahana na ny tsy fankasitraha ny fandoavan-ketra izany dia samy vava-loza mananontanona avokoa. Ny valin-tenin’i Kristy dia tsotra ary feno fahendrena tanteraka: aloavy ho an'i Sezara izay an'i Sezara ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Azoko an-tsaina fa toy ny tia Tanindrazana rehetra i Kristy ka mba maharary ihany ny Ainy manoloana ny fandoavan-ketra ho an’ny mpanjana-tany saingy tsy anjarany velively ny hanongam-panjakana. Io Mesia mpanongam-panjakana io manko no andrasan’i Jody sy antenainy fatratra. Nefa ny an’i Kristy efa mazava fa “tsy mba anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako” hoy Izy.
Isika kristianina ankehitriny koa dia misedra toe-javatra toy izany ankehitriny, indrindra fa amin’izao vanim-potoana mivaivay eo amin’ny tany sy ny fanjakana izao. Mamoaka didy ny Fanjakana fa tsy maintsy mitandrina ny rehetra amin’ny pesta. Dia tsy hoe manohitra be fahatany ny Fiangonana Malagasy fa manaraka izany fepetra izany ary mampianatra ny rehetra mba hidio sy hampihena ny fifampitankosinana ao am-piangonana; foanana aloha ny fifandraisan-tànana amin’ny fifanomezam-piadanana mandritran’ny Sorona Masina. Izany akory tsy manakana ny hivavahana sy hanaovana lamesa isakin’ny Alahady. “Ny an’ny Fanjakana lolohavina fa ny an’ny tena sakelehina ihany.”
Mirary alahady finaritra.
Mompera Nary