Alahady tsotra faha 16 mandavan-taona, taona D
Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.
Ny andalan-dahatsoratra Evanjely atolotrin’ny Eglizy ho vakiantsika ka ho sakafom-panahy anio sy mandritra ity herinandro diavintsika ity dia manjohy ny Evanjely izay novakiantsika tamin’ny alahady heriny. Raha izany dia misy hevitra manjohy azy ihany koa izany fa tsy hoe sanatria “mandeha hoazy toy ny paompin’ny kaominina”. Raha nahatsiahy ianao dia ny matoanteny “atao” no tena nohitrikitrihin’ny Mpanoratra ny Evanjely: “Mandehana àry ka manaova toy izany koa” (Lk 10, 37). Manjohy izany tari-kevitra izany i Masindahy Lioka no manazava lalindalina kokoa izany hoe “atao” izany; tamin’ny heriny dia ny tokony hatao amin’ny namana fa izao kosa dia ny hatao amin’ny Tompo.
Ny vakiteny telo atolotrin’ny Fiangonana ho antsika amin’ity alahady faha-folo enina amby ity dia samy mandimandina “famangiana” avokoa. Ny an’ny vakiteny voalohany dia mazava tsara ny ilazany azy amin’ny itantarany ny namangian’ireo olona telolahy irak’Andriamanitra an’i Abrahama, raha iny izy nitoetra teo amin’ny lohasahan’ny Mambre iny. Ny an’ny Vakiteny faharoa kosa dia somary somambisamby raha tsy mahafantatra ny vanim-potoana nanoratana ilay taratasy hoan’ireo kaoloseanina. Am-patorana sy an-tranomaizina i Md Paoly no mamangy an-taratasy ireo kristanina ireo. Ny an’ny Evanjely moa dia “miharihary toy ny tafika andrefatanana” ny filazany azy: “…nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony”. Ity Famangian’i Jesoa an’i Marta ity no ho voaboasantsika henika kokoa amin’ity andro anio ity.
“Izay mahavangivangy tian-kavana” hoy ny Ntaolo razantsika. Matoa mamangy dia satria tia an’ilay vangiana ary mahatsiaro ho tian’ilay vangiana. I Masindahy Lioka raha manoratra amintsika ity Evanjely ity dia tsy manoritra mazava ny maha-mpihavana ara-nofo an’i Jesoa sy Marta mirahavavy. Fa mazava hiany, na dia amin’ny fomba fijerintsika malagasy aza fa tsy ny rohy ara-pirazanana ihany no maha mpihavana fa eo dia eo koa ny maha-mpinamana tonga fihavanana. Sady matoa mandroso ao an-tranon’izy mirahavavy ny Tompo dia efa havany rahateo ireo.
Manoloana ny famangiana azy mirahavavy, i Marta dia avy hatrany nikonokonona nikarakara sakafo sy tohan’aina ho an’ny vahiny. Rariny dia rariny izany satria “kibo tsy mba lamosina ary tsinay tsy mba vatsy”. Noana nohon’ny dia nalehany lalandavitra i Jesoa, raha ny fandinihan’i Marta azy, ka rariny raha ho rosoana “rano mangatsiaka”, sady vahiny tonga mitsidika ny trano ve de tsy ho rosoana sakafo na dia ampango ahay aza.
Ny rahavaviny kosa, Maria, dia nijanona nitoetra teo anilan’i Jesoa. I Maria dia sady tsy tompon-trano no tsy te-hamela irery ny vahiny ka dia nipetraka niaraka tamin’i Jesoa; niresaka sy “nampiresaka” ary nihaino izay fitantarany ny diany sy ny nataony nandritr’izay ndroandroa andro tsy nifakahitana izay. Manga ny resak’izy ireo, vaky ny hehy, tolatolaka ny tsiky. “Tompoko, tsy mampaninona Anao ve ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?” hoy i Marta tsy naharitra, fa niloa-bava tamin’i Jesoa.
Rariny ny an’i Marta satria vahiny iraisana i Jesoa ka hitsiny raha iraisana avokoa ny fikarakarana Azy. Fa ny marina dia ny valintenin’i Jesoa: “Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nisafidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halàna aminy”. Mandre izany valitenin’i Jesoa izany isika dia alaim-panahy hanome tsiny avy hatrany ny fihetsik’i Marta. Kanefa raha zohiana dia rariny ny azy satria nikarakara vahiny izy. Kanefa koa, eo anatrehan’ny Tompo dia “entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra” (Rm 8, 28). Tsy dia ho an’i Marta, ilay vehivavy fahiny irery ity hafatr’i Jesoa ity, fa ho antsika rehetra ihany koa. Tsy dia hoan’ilay vehivavy fahiny tany Jerikao be kenokenona ao an-dakozia loatra ity teny ity, fa ho ahy indrindra indrindra; tsy ho ahy ihany fa ho anao ihany koa; ho antsika rehetra mihaino sy mivelona ny Tenin’ny Tompo.
“Marta” be tadiavina sy be ahiahy aho rehefa lany andro mihevohevo amin’ny endrika ivelany amin’ny fiainako ny Finoana ka manadino an’i Jesoa amin’ny maha Andriamanitra Azy. Tsy misy maha-ory an’i Jesoa intsony raha hoe resaka sakafo sy filana amin’ny fiainana ara-nofo; tsy anjarako ny hilaza Aminy hoe “lazao ahy ‘zay tsy ampy fa izaho vonona ny hihafy…” ka izaho indray no hikenokenona Aminy. Andriamanitra i Jesoa ka tsy misy maha-ory Azy intsony. Ny tokony “hataoko” aza dia ny manaiky ho “karakarainy”. Izay manaiky ho karakaraina sy hataon’i Jesoa izay no “atao” tsara indrindra.
Ny atao tena tsara indrindra manoloana ny Tompo dia ny mihaino Azy sy mitoetra eo anilany. Na io fitoerana eo anilany io dia efa zava-dehibe dia zava-dehibe. Maro amintsika no miteny hoe “aleoko tsy makany am-piangonana fa tsy mitombintsaina aho”. Tsy mampaninona anao izany fa ny zava-dehibe dia ny mitoetra eo anilany, satria tsy voatery ho ianao ihany no mihaino Azy fa Izy koa dia vonona ny hihaino ny “tatasikanao”. Mitoera eo anilany na tsy mitombintsaina aza fa tena zava-dehibe dia zava-dehibe izany.
Meteza ho karakarain’i Jesoa. Aza lany andro mikarakara zavatra ho Azy fa ianao kosa mitoera eo anilany ho karakarainy sy ho rosoany sakafo tena soa sady mafilotra, ampy hahavelona anao mandrakizay. Manekea hitoetra miaraka Aminy fa aza lany andro mikarakara hanina ho Azy. Fa Izy efa nitondra voan-dàlana tsara sady betsaka; ampy ho sakafonao sy ny ankohonanao mandritrin’ny fotoana maharitra. Aza misahirana mandany fotoana Aminy hikarakarana zava-mandalo fa ny Azy aza ny zavatra maharitra mandrakizay tsy lany laniana akory.
Rehefa mamangy anao ny Tompo dia atokany manontolo hihainoana sy hiresahana Aminy ny fotoananao; izany no fandraisana tsara indrindra mendrika Azy satria sady ho henika ny fahasoavany amin’ny Teniny mankahery ianao no tsy vizaka mihevo raikitra amin’ny fikarakarana endri-javatra tsy hilainy akory. Rehefa mivavaka any am-piangonana ianao, henoy Izy ary miresaha Aminy: izay no ilaina ary izay dia ampy.
Mirary alahady finaritra
Mompera Nary